T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 22

1 [Ny nikambanan'i Ahaba sy Josafata hiady amin'ny Syriana, sy ny nakany hevitra tamin'ny mpaminany, ary ny nahafatesan'i Ahaba] Ary nandry fahizay ny Syriana sy ny Isiraely telo taona, fa tsy niady.

2 Ary nony tamin'ny taona fahatelo, dia nidina Josafata, mpanjakan'ny Joda, ho any amin'ny mpanjakan'ny Isiraely.

3 Ary hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'ny mpanompony: Moa fantatrareo va fa antsika Ramota-gileada, nefa isika mitoetra foana ka tsy maka azy amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Syria?

4 Ary hoy koa izy tamin'i Josafata: Mba hiaraka amiko hiady an'i Ramota-gileada va ianao? Dia hoy Josafata tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely. Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao, ary ny soavaliko dia soavalinao.

5 Ary hoy Josafata tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely: Masìna ianao, anontanio aloha ny tenin'i Jehovah.

6 Ary ny mpanjakan'ny Isiraely dia nanangona ny mpaminany tokony ho efa-jato lahy ka nanao taminy hoe: Handena hanafika an'i Ramota-gileada va aho, sa hijanona ihany? Dia hoy ireo: Mandehana, fa hatolotry ny Tompo eo an-tananao izy, ry mpanjaka.

7 Ary hoy kosa Josafata: Moa tsy misy mpaminanin'i Jehovah koa va eto mba hanontaniantsika?

8 Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany, dia Mikaia, zanak'i Jimla, izay ahazoantsika manontany amin'i Jehovah, saingy halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy izy. fa loza ihany. Dia hoy Josafata: Aza manao izany, ry mpanjaka.

9 Ary ny mpanjakan'ny Isiraely niantso ny tandapa anankiray ka nanao taminy hoe: Alao faingana Mikaia, zanak'i Jimla.

10 Ary ny mpanjakan'ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan'ny Joda, samy nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany avy teo amin'ny famoloana eo anoloan'ny vavahadin'i Samaria sady samy efa niakanjo ny akanjony avy; ary ny mpaminany rehetra naminany teo matrehany.

11 Ary Zedekia, zanak'i Kenana, dia nanao tandroby ka nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: ireto no hanotoanao ny Syriana mandra-paharingany.

12 Ary ny mpaminany rehetra naminany toy izany koa hoe: Mandehana any Ramota-gileada, dia hambinina ianao; fa Jehovah hanolotra azy eo an-tananao, ry mpanjaka.

13 Ary ilay iraka izay nandeha naka an'i Mikaia niteny taminy hoe: Indro fa efa iray teny avokoa izao ny mpaminany ka milaza soa ho an'ny mpanjaka; masìna ianao, aoka re ny teninao mba ho tahaka ny an'ny anankiray amin'ireo, ka mba mitenena soa koa.

14 Ary hoy Mikaia: Raha velona koa Jehovah, dia izay lazain'i Jehovah amiko ihany no hambarako.

15 Dia nankany amin'ny mpanjaka izy. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ry Mikaia, handeha hanafika an'i Ramota-gileada va isika, sa hijanona ihany? Ary izy namaly azy hoe: Mandehana, fa hambinina ianao, fa hatolotr'i Jehovah eo an-tananao izy, ry mpanjaka.

16 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Impiry no hampianianako anao mba tsy hilaza na inona na inona amiko amin'ny anaran'i Jehovah afa-tsy izay marina ihany

17 Dia hoy Mikaia Hitako fa indreny ny Isiraely rehetra niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ary hoy Jehovah: Ireto efa tsy manan-tompo, aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.

18 Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'i Josafata: Tsy efa voalazako taminao va fa tsy mba mety maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany?

 

19 Ary hoy Mikaia: Henoy ary ny tenin'i Jehovah: Nahita an'i Jehovah nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany aho, ary ireo maro be rehetra any an-danitra nitsangana teo andaniny avy, dia teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany.

20 Ary hoy Jehovah: Iza no hitaona an'i Ahaba handeha ho any Ramotagileada ka ho lavo any? Ary ny anankiray niteny toy izao, ary ny anankiray kosa niteny toy izao.

21 Dia nandroso ny fanahy ka nitsangana teo anatrehan'i Jehovah ary nanao hoe: Izaho no hitaona azy. Ary hoy Jehovah taminy: Amin'inona anefa?

22 Dia hoy izy: Hivoaka aho ka ho tonga fanahy mandainga ao am-bavan'ny mpaminaniny rehetra. Dia hoy indray Jehovah: Ho voataonanao ihany izy, ka hahatanteraka ianao; mivoaha ary, ka ataovy izany.

23 Koa, indro, Jehovah efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan'ireto mpaminaninao rehetra ireto ary Izy koa efa nilaza ny loza hanjo anao.

24 Fa Zedekia, zanak'i Kenana, nanatona, dia namely ny takolak'i Mikaia sady nanao hoe: Taiza no nialan'ny Fanahin'i Jehovah tamiko hiteny aminao?

25 Dia hoy Mikaia: Indro, ho hitanao izany amin'ny andro hidiranao ao amin'ny efi-trano anatiny* hierenao.[Na: hitsofotsofohanao amin'ny efi-trano]

26 Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely: Raiso Mikaia, ka ento miverina izy ho any amin'i Amona, komandin'ny tanàna, sy ho any amin'i Joasy, zanaky ny mpanjaka,

27 ka lazao hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka: Ataovy ao an-trano-maizina ilehity, ka fahano mofom-pahoriana sy ranom-pahoriana izy mandra-pahatongako soa aman-tsara.

28 Fa hoy Mikaia: Raha tàhiny ho tafaverina soa aman-tsara ianao dia tsy nampitenenin'i Jehovah aho tsy akory. Ary hoy koa izy: Samia mihaino izany ianareo, ry firenena rehetra.

29 Dia niakatra nankany Ramota-gileada ny mpanjakan'ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan'ny Joda.

30 Ary hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'i Josafata: Hody olon-kafa aho ka hitsarapaka any anatin'ny ady, fa ianao kosa dia miakanjoa ny akanjonao ihany. Dia nody olon-kafa ny mpanjakan'ny Isiraely ka nitsarapaka tany anatin'ny ady.

31 Fa ny mpanjakan'i Syria efa nandidy ny roa amby telo-polo lahy, komandin'ny kalesy, nanao hoe: Aza miady na amin'ny kely na amin'ny lehibe, afa-tsy amin'ny mpanjakan'ny Isiraely ihany.

32 Ary nony nahita an'i Josafata ireo komandin'ny kalesy, dia hoy izy: Iny mihitsy no mpanjakan'ny Isiraely. Dia nanatrika hiady taminy ireo; ka dia niantsoantso Josafata.

33 Ary rehefa hitan'ireo komandin'ny kalesy fa tsy ny mpanjakan'ny Isiraely izy, dia niverina niala taminy ireo.

34 Ary nisy lehilahy anankiray nandefa zana-tsipìka kitoatoa ka nahavoa ny mpanjakan'ny Isiraely teo anelanelan'ny fiarovan-tratrany sy ny eo ambaniny; ka dia hoy izy tamin'ny mpampandeha ny kalesiny: Ahodino, ka ento miala eto amin'ny ady aho, fa voa.

35 Ary nihamafy ny ady tamin'izany andro izany; ary ny mpanjaka notohanana hitsangana teo amin'ny kalesiny tandrifin'ny Syriana, ary dia maty izy nony efa harivariva ny andro; ary ny rà nandeha avy teo amin'ny efa voa ho ao anatin'ny kalesy.

36 Ary nony efa hilentika ny masoandro, dia niely eran'ny toby rehetra izao antsoantso izao hoe: Samia mody any an-tanànany avy sy any amin'ny taniny avy!

37 Dia maty ny mpanjaka, ka nentina tany Samaria izy, dia nalevina tao.

38 Ary nony nosasana teo am-parihin'i Samaria ny kalesiny, dia avy ny alika nilelaka ny ràny raha nandro tao ny vehivavy janga araka ny tenin'i Jehovah.

39 Ary ny tantaran'i Ahaba sisa mbamin'izay rehetra nataony sy ny trano ivory izay nataony ary ny tanàna rehetra izay naoriny, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?

40 Ary Ahaba lasa nodi-mandry any amin'ny razany; ary Ahazia zanany no nanjaka nandimby azy.

*

41 [Ny nanjakan'i Josafata tamin'ny Joda, sy Ahazia tamin'ny Isiraely] Ary Josafata, zanak'i Asa, vao nanjaka tamin'ny Joda tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely.

42 Dimy amby telo-polo taona Josafata, fony izy vao nanjaka, ary dimy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Azoba, zanakavavin'i Sily.

43 Ary nandeha tamin'ny lalana rehetra izay nalehan'i Asa rainy izy ka tsy niala tamin'izany, fa nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah;

44 kanefa kosa ny fitoerana avo tsy mba noravana, fa ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra sady mbola nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany.

45 Ary Josafata nanao fihavanana tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely.

46 Ary ny tantaran'i Josafata sisa sy ny heriny mbamin'ny niadiany, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?

47 Ary ny sisa amin'ny olona izay nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, dia Izay mbola tany tamin'ny andron'i Asa rainy, dia nofongorany hiala amin'ny tany.

48 Ary tsy nisy mpanjaka tany Edoma fahizay, fa olona voatendry no nitondra ny fanjakana.

49 Ary Josafata nanao sambon'i Tarsisy folo hankany Ofira haka volamena; nefa tsy lasa ireo sambo ireo, fa nahavakiana tao Ezion-gebera.

50 Dia hoy Ahazia, zanak'i Ahaba, tamin'i Josafata: Aoka ny vahoakako hiaraka amin'ny vahoakanao any an-tsambo. Fa tsy nety Josafata.

51 Ary Josafata lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Jehorama zanany no nanjaka nandimby azy.

*

52 Ahazia, zanak'i Ahaba, vao nanjaka tamin'ny Isiraely tao Samaria tamin'ny taona fahafito ambin'ny folo nanjakan'i Josafata, mpanjakan'ny Joda; ary nanjaka roa taona tamin'ny Isiraely izy.

53 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa nandeha tamin'ny lalan'ny rainy sy ny reniny ary tamin'ny lalan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanota ny Isiraely;

54 ary nanompo an'i Bala izy, dia niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an'i Jehovah,

 

Chapitre 22 

1 They continued three years without war between Syria and Israel.

2 It happened in the third year, that Jehoshaphat the king of Judah came down to the king of Israel.

3 The king of Israel said to his servants, “You know that Ramoth Gilead is ours, and we are still, and don’t take it out of the hand of the king of Syria?”

4 He said to Jehoshaphat, “Will you go with me to battle to Ramoth Gilead?”

Jehoshaphat said to the king of Israel, “I am as you are, my people as your people, my horses as your horses.”

5 Jehoshaphat said to the king of Israel, “Please inquire first for the word of Yahweh.”

6 Then the king of Israel gathered the prophets together, about four hundred men, and said to them, “Shall I go against Ramoth Gilead to battle, or shall I forbear?”

They said, “Go up; for the Lord will deliver it into the hand of the king.”

7 But Jehoshaphat said, “Isn’t there here a prophet of Yahweh, that we may inquire of him?”

8 The king of Israel said to Jehoshaphat, “There is yet one man by whom we may inquire of Yahweh, Micaiah the son of Imlah; but I hate him; for he does not prophesy good concerning me, but evil.”

Jehoshaphat said, “Don’t let the king say so.”

9 Then the king of Israel called an officer, and said, “Quickly get Micaiah the son of Imlah.”

10 Now the king of Israel and Jehoshaphat the king of Judah were sitting each on his throne, arrayed in their robes, in an open place at the entrance of the gate of Samaria; and all the prophets were prophesying before them.

11 Zedekiah the son of Chenaanah made him horns of iron, and said, “Thus says Yahweh, ‘With these you shall push the Syrians, until they are consumed.’”

12 All the prophets prophesied so, saying, “Go up to Ramoth Gilead, and prosper; for Yahweh will deliver it into the hand of the king.”

13 The messenger who went to call Micaiah spoke to him, saying, “See now, the prophets declare good to the king with one mouth. Please let your word be like the word of one of them, and speak good.”

14 Micaiah said, “As Yahweh lives, what Yahweh says to me, that I will speak.”

15 When he had come to the king, the king said to him, “Micaiah, shall we go to Ramoth Gilead to battle, or shall we forbear?”

He answered him, “Go up and prosper; and Yahweh will deliver it into the hand of the king.”

16 The king said to him, “How many times do I have to adjure you that you speak to me nothing but the truth in the name of Yahweh?”

17 He said, “I saw all Israel scattered on the mountains, as sheep that have no shepherd. Yahweh said, ‘These have no master. Let them each return to his house in peace.’”

18 The king of Israel said to Jehoshaphat, “Didn’t I tell you that he would not prophesy good concerning me, but evil?”

19 Micaiah said, “Therefore hear the word of Yahweh. I saw Yahweh sitting on his throne, and all the army of heaven standing by him on his right hand and on his left.

20 Yahweh said, ‘Who shall entice Ahab, that he may go up and fall at Ramoth Gilead?’ One said one thing; and another said another.

21 A spirit came out and stood before Yahweh, and said, ‘I will entice him.’

22 Yahweh said to him, ‘How?’ He said, ‘I will go out and will be a lying spirit in the mouth of all his prophets.’ He said, ‘You will entice him, and will also prevail. Go out and do so.’

23 Now therefore, behold, Yahweh has put a lying spirit in the mouth of all these your prophets; and Yahweh has spoken evil concerning you.”

24 Then Zedekiah the son of Chenaanah came near, and struck Micaiah on the cheek, and said, “Which way did the Spirit of Yahweh go from me to speak to you?”

25 Micaiah said, “Behold, you will see on that day, when you go into an inner room to hide yourself.”

26 The king of Israel said, “Take Micaiah, and carry him back to Amon the governor of the city, and to Joash the king’s son.

27 Say, ‘Thus says the king, “Put this fellow in the prison, and feed him with bread of affliction and with water of affliction, until I come in peace.”’”

28 Micaiah said, “If you return at all in peace, Yahweh has not spoken by me.” He said, “Listen, all you people!”

29 So the king of Israel and Jehoshaphat the king of Judah went up to Ramoth Gilead.

30 The king of Israel said to Jehoshaphat, “I will disguise myself, and go into the battle; but you put on your robes.” The king of Israel disguised himself, and went into the battle.

31 Now the king of Syria had commanded the thirty-two captains of his chariots, saying, Fight neither with small nor great, except only with the king of Israel.

32 It happened, when the captains of the chariots saw Jehoshaphat, that they said, “Surely that is the king of Israel!” and they turned aside to fight against him. Jehoshaphat cried out.

33 It happened, when the captains of the chariots saw that it was not the king of Israel, that they turned back from pursuing him.

 34 A certain man drew his bow at random, and struck the king of Israel between the joints of the armor. Therefore he said to the driver of his chariot, “Turn your hand, and carry me out of the battle; for I am severely wounded.”

35 The battle increased that day. The king was propped up in his chariot facing the Syrians, and died at evening. The blood ran out of the wound into the bottom of the chariot.

36 A cry went throughout the army about the going down of the sun, saying, “Every man to his city, and every man to his country!”

37 So the king died, and was brought to Samaria; and they buried the king in Samaria.

38 They washed the chariot by the pool of Samaria; and the dogs licked up his blood where the prostitutes washed themselves; according to the word of Yahweh which he spoke.

39 Now the rest of the acts of Ahab, and all that he did, and the ivory house which he built, and all the cities that he built, aren’t they written in the book of the chronicles of the kings of Israel?

40 So Ahab slept with his fathers; and Ahaziah his son reigned in his place.

41 Jehoshaphat the son of Asa began to reign over Judah in the fourth year of Ahab king of Israel.

42 Jehoshaphat was thirty-five years old when he began to reign; and he reigned twenty-five years in Jerusalem. His mother’s name was Azubah the daughter of Shilhi.

43 He walked in all the way of Asa his father; He didn’t turn aside from it, doing that which was right in the eyes of Yahweh: however the high places were not taken away; the people still sacrificed and burnt incense in the high places.

44 Jehoshaphat made peace with the king of Israel.

45 Now the rest of the acts of Jehoshaphat, and his might that he showed, and how he warred, aren’t they written in the book of the chronicles of the kings of Judah?

46 The remnant of the sodomites, that remained in the days of his father Asa, he put away out of the land.

47 There was no king in Edom: a deputy was king.

48 Jehoshaphat made ships of Tarshish to go to Ophir for gold: but they didn’t go; for the ships were broken at Ezion Geber.

49 Then Ahaziah the son of Ahab said to Jehoshaphat, “Let my servants go with your servants in the ships.” But Jehoshaphat would not.

50 Jehoshaphat slept with his fathers, and was buried with his fathers in the city of David his father; Jehoram his son reigned in his place.

51 Ahaziah the son of Ahab began to reign over Israel in Samaria in the seventeenth year of Jehoshaphat king of Judah, and he reigned two years over Israel.

52 He did that which was evil in the sight of Yahweh, and walked in the way of his father, and in the way of his mother, and in the way of Jeroboam the son of Nebat, in which he made Israel to sin.

53 He served Baal, and worshiped him, and provoked to anger Yahweh, the God of Israel, according to all that his father had done.

 

Chapitre 22 

1On resta trois ans sans qu'il y eût guerre entre la Syrie et Israël.

2La troisième année, Josaphat, roi de Juda, descendit auprès du roi d'Israël.

3Le roi d'Israël dit à ses serviteurs: Savez-vous que Ramoth en Galaad est à nous? Et nous ne nous inquiétons pas de la reprendre des mains du roi de Syrie!

4Et il dit à Josaphat: Veux-tu venir avec moi attaquer Ramoth en Galaad? Josaphat répondit au roi d'Israël: Nous irons, moi comme toi, mon peuple comme ton peuple, mes chevaux comme tes chevaux.

5Puis Josaphat dit au roi d'Israël: Consulte maintenant, je te prie, la parole de l'Éternel.

6Le roi d'Israël assembla les prophètes, au nombre d'environ quatre cents, et leur dit: Irai-je attaquer Ramoth en Galaad, ou dois-je y renoncer? Et ils répondirent: Monte, et le Seigneur la livrera entre les mains du roi.

7Mais Josaphat dit: N'y a-t-il plus ici aucun prophète de l'Éternel, par qui nous puissions le consulter?

8Le roi d'Israël répondit à Josaphat: Il y a encore un homme par qui l'on pourrait consulter l'Éternel; mais je le hais, car il ne me prophétise rien de bon, il ne prophétise que du mal: c'est Michée, fils de Jimla. Et Josaphat dit: Que le roi ne parle pas ainsi!

9Alors le roi d'Israël appela un eunuque, et dit: Fais venir de suite Michée, fils de Jimla.

10Le roi d'Israël et Josaphat, roi de Juda, étaient assis chacun sur son trône, revêtus de leurs habits royaux, dans la place à l'entrée de la porte de Samarie. Et tous les prophètes prophétisaient devant eux.

11Sédécias, fils de Kenaana, s'était fait des cornes de fer, et il dit: Ainsi parle l'Éternel: Avec ces cornes tu frapperas les Syriens jusqu'à les détruire.

12Et tous les prophètes prophétisaient de même, en disant: Monte à Ramoth en Galaad! tu auras du succès, et l'Éternel la livrera entre les mains du roi.

13Le messager qui était allé appeler Michée lui parla ainsi: Voici, les prophètes, d'un commun accord, prophétisent du bien au roi; que ta parole soit donc comme la parole de chacun d'eux! annonce du bien!

14Michée répondit: L'Éternel est vivant! j'annoncerai ce que l'Éternel me dira.

15Lorsqu'il fut arrivé auprès du roi, le roi lui dit: Michée, irons-nous attaquer Ramoth en Galaad, ou devons-nous y renoncer? Il lui répondit: Monte! tu auras du succès, et l'Éternel la livrera entre les mains du roi.

16Et le roi lui dit: Combien de fois me faudra-t-il te faire jurer de ne me dire que la vérité au nom de l'Éternel?

17Michée répondit: Je vois tout Israël dispersé sur les montagnes, comme des brebis qui n'ont point de berger; et l'Éternel dit: Ces gens n'ont point de maître, que chacun retourne en paix dans sa maison!

18Le roi d'Israël dit à Josaphat: Ne te l'ai-je pas dit? Il ne prophétise sur moi rien de bon, il ne prophétise que du mal.

19Et Michée dit: Écoute donc la parole de l'Éternel! J'ai vu l'Éternel assis sur son trône, et toute l'armée des cieux se tenant auprès de lui, à sa droite et à sa gauche.

20Et l'Éternel dit: Qui séduira Achab, pour qu'il monte à Ramoth en Galaad et qu'il y périsse? Ils répondirent l'un d'une manière, l'autre d'une autre.

21Et un esprit vint se présenter devant l'Éternel, et dit: Moi, je le séduirai. L'Éternel lui dit: Comment?

22Je sortirai, répondit-il, et je serai un esprit de mensonge dans la bouche de tous ses prophètes. L'Éternel dit: Tu le séduiras, et tu en viendras à bout; sors, et fais ainsi!

23Et maintenant, voici, l'Éternel a mis un esprit de mensonge dans la bouche de tous tes prophètes qui sont là. Et l'Éternel a prononcé du mal contre toi.

24Alors Sédécias, fils de Kenaana, s'étant approché, frappa Michée sur la joue, et dit: Par où l'esprit de l'Éternel est-il sorti de moi pour te parler?

25Michée répondit: Tu le verras au jour où tu iras de chambre en chambre pour te cacher.

26Le roi d'Israël dit: Prends Michée, et emmène-le vers Amon, chef de la ville, et vers Joas, fils du roi.

27Tu diras: Ainsi parle le roi: Mettez cet homme en prison, et nourrissez-le du pain et de l'eau d'affliction, jusqu'à ce que je revienne en paix.

28Et Michée dit: Si tu reviens en paix, l'Éternel n'a point parlé par moi. Il dit encore: Vous tous, peuples, entendez!

29Le roi d'Israël et Josaphat, roi de Juda, montèrent à Ramoth en Galaad.

30Le roi d'Israël dit à Josaphat: Je veux me déguiser pour aller au combat; mais toi, revêts-toi de tes habits. Et le roi d'Israël se déguisa, et alla au combat.

31Le roi de Syrie avait donné cet ordre aux trente-deux chefs de ses chars: Vous n'attaquerez ni petits ni grands, mais vous attaquerez seulement le roi d'Israël.

32Quand les chefs des chars aperçurent Josaphat, ils dirent: Certainement, c'est le roi d'Israël. Et ils s'approchèrent de lui pour l'attaquer. Josaphat poussa un cri.

33Les chefs des chars, voyant que ce n'était pas le roi d'Israël, s'éloignèrent de lui.

34Alors un homme tira de son arc au hasard, et frappa le roi d'Israël au défaut de la cuirasse. Le roi dit à celui qui dirigeait son char: Tourne, et fais-moi sortir du champ de bataille, car je suis blessé.

35Le combat devint acharné ce jour-là. Le roi fut retenu dans son char en face des Syriens, et il mourut le soir. Le sang de la blessure coula dans l'intérieur du char.

36Au coucher du soleil, on cria par tout le camp: Chacun à sa ville et chacun dans son pays!

37Ainsi mourut le roi, qui fut ramené à Samarie; et on enterra le roi à Samarie.

38Lorsqu'on lava le char à l'étang de Samarie, les chiens léchèrent le sang d'Achab, et les prostituées s'y baignèrent, selon la parole que l'Éternel avait prononcée.

39Le reste des actions d'Achab, tout ce qu'il a fait, la maison d'ivoire qu'il construisit, et toutes les villes qu'il a bâties, cela n'est-il pas écrit dans le livre des Chroniques des rois d'Israël?

40Achab se coucha avec ses pères. Et Achazia, son fils, régna à sa place.

41Josaphat, fils d'Asa, régna sur Juda, la quatrième année d'Achab, roi d'Israël.

42Josaphat avait trente-cinq ans lorsqu'il devint roi, et il régna vingt cinq ans à Jérusalem. Sa mère s'appelait Azuba, fille de Schilchi.

43Il marcha dans toute la voie d'Asa, son père, et ne s'en détourna point, faisant ce qui est droit aux yeux de l'Éternel. (22:44) Seulement, les hauts lieux ne disparurent point; le peuple offrait encore des sacrifices et des parfums sur les hauts lieux.

44(22:45) Josaphat fut en paix avec le roi d'Israël.

45(22:46) Le reste des actions de Josaphat, ses exploits et ses guerres, cela n'est-il pas écrit dans le livre des Chroniques des rois de Juda?

46(22:47) Il ôta du pays le reste des prostitués, qui s'y trouvaient encore depuis le temps d'Asa, son père.

47(22:48) Il n'y avait point de roi en Édom: c'était un intendant qui gouvernait.

48(22:49) Josaphat construisit des navires de Tarsis pour aller à Ophir chercher de l'or; mais il n'y alla point, parce que les navires se brisèrent à Etsjon Guéber.

49(22:50) Alors Achazia, fils d'Achab, dit à Josaphat: Veux-tu que mes serviteurs aillent avec les tiens sur des navires? Et Josaphat ne voulut pas.

50(22:51) Josaphat se coucha avec ses pères, et il fut enterré avec ses pères dans la ville de David, son père. Et Joram, son fils, régna à sa place.

51(22:52) Achazia, fils d'Achab, régna sur Israël à Samarie, la dix-septième année de Josaphat, roi de Juda. Il régna deux ans sur Israël.

52(22:53) Il fit ce qui est mal aux yeux de l'Éternel, et il marcha dans la voie de son père et dans la voie de sa mère, et dans la voie de Jéroboam, fils de Nebath, qui avait fait pécher Israël.

53(22:54) Il servit Baal et se prosterna devant lui, et il irrita l'Éternel, le Dieu d'Israël, comme avait fait son père.