T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 20

1 [Ny nandresen'i Ahaba indroa an'i Beni-hadada, mpanjakan'i Syria] Ary Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, namory ny miaramilany rehetra, koa mpanjaka roa amby telo-polo mbamin'ny soavaly sy ny kalesy no niaraka taminy; dia niakatra izy ka nanao fahirano an'i Samada ary namely azy.

2 Ary nandefa iraka ho any amin'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, tany an-tanàna izy

3 hanao aminy hoe: Izao no lazain'i Beni-hadada: Ny volafotsinao sy ny volamenanao dia ahy; ary ny vadinao aman-janakao, na dia ny tsara tarehy indrindra aza, dia ahy koa.

4 Ary ny mpanjakan'ny Isiraely namaly hoe: Eny marina ny teninao ry mpanjaka tompoko ô: anao aho sy izay rehetra ananako.

5 Dia niverina indray ny iraka ka nanao hoe: Izao no tenin'i Beni-hadada: Naniraka tatỳ aminao aho nanao hoe: Ny volafotsinao sy ny volamenanao ary ny vadinao aman-janakao dia omeo ahy;

6 koa raha maniraka ny mpanompoko ho atỳ aminao aho rahampitso toy izao, ka savany ny tranonao sy ny tranon'ny mpanomponao, dia horaisin'ny tànany sy ho entiny avokoa izay rehetra mahafinaritra ny masonao na inona na inona.

7 Ary ny mpanjakan'ny Isiraely nampaka ny loholona rehetra amin'ny tany ka nanao hoe: Masìna ianareo, fantaro sy izahao fa mila sotasota mihitsy ilehiny; fa efa naniraka tatỳ amiko izy haka ny vadiko aman-janako mbamin'ny volafotsiko sy ny volamenako ka tsy nolaviko.

8 Ary hoy ny loholona sy ny vahoaka rehetra taminy: Aza mihaino na manaiky.

9 Ka dia hoy Ahaba tamin'ny irak'i Beni-hadada. Lazao amin'ny mpanjaka tompoko hoe: Izay rehetra nanirahanao tany amiko mpanomponao tamin'ny voalohany dia hataoko; fa izao zavatra izao kosa tsy azoko ekena. Dia lasa ireo iraka ka nitondra teny niverina tany amin'i Beni-hadada indray;

10 ary izy naniraka tany aminy ka nanao hoe: Hataon'ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha ho ampy eran-tànan-ila akory ny vovok'i Samaria amin'ny isan-olona manaraka ahy.

11 Ary ny mpanjakan'ny Isiraely namaly hoe: Izao no holazainao aminy: Aoka izay vao misikina tsy mba hirehareha tahaka ny efa mamaha.

12 Ary rehefa ren'i Beni-hadada izany teny izany, raha mbola nisotro tao an-trano rantsan-kazo izy sy ireo mpanjaka, dia hoy izy tamin'ny mpanompony: Milahara ianareo. Ary dia nilahatra hamely ny tanàna izy.

13 Ary, indro, nisy mpaminany nanatona an'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, ka nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hitanao va ireo olona maro be rehetra ireo ? Indro, hatolotro eo an-tananao ireo anio; dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.

14 Ary hoy Ahaba: Amin'iza? Ary hoy izy: Izao no lazain'i Jehovah: Amin'ny zatovon'ny komandin'ny fanapahana isan-tokony. Dia hoy izy: Iza ary no hamely aloha ? Hianao ihany, hoy izy.

15 Ary nandamina ny zatovon'ny komandin'ny fanapahana isan-tokony izy, ka roa amby telo-polo amby roan-jato no isany; ary manarakaraka izany, dia nandamina ny olona rehetra izy, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka fito arivo no isany.

16 Ary nivoaka izy nony nitataovovonana ny andro. Fa Beni-hadada nisotro ho mamo tao an-trano rantsan-kazo, dia izy sy ireo mpanjaka roa amby telo-polo izay nanampy azy.

17 Ary ny zatovon'ny komandin'ny fanapahana isan-tokony nivoaka voalohany; ary Beni-hadada naniraka, ka dia nilazana hoe: Misy olona efa nivoaka avy any Samaria.

18 Ary hoy izy: Ataovy sambo-belona izy, na ho avy hihavana, na ho avy hiady.

19 Dia nivoaka avy tao an-tanàna ireo zatovon'ny komandin'ny fanapahana isan-totony ireo sy ny miaramila izay nanaraka azy.

20 Ary samy nahafaty olona iray avy izy rehetra; dia vaky nandositra ny Syriana, ka nenjehin'ny Isiraely; ary Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, nandositra an-tsoavaly mbamin'ny mpitaingin-tsoavaly sasany koa.

21 Ary ny mpanjakan'ny Isiraely nivoaka, dia namely: ny an-tsoavaly sy ny an-kalesy, ka nahafatesany be dia be ny Syriana.

22 Ary ilay mpaminany nankany amin'ny i mpanjakan'ny Isiraely ka nanao taminy hoe: Mahereza tsara, ary fantaro sy izahao izay ataonao; fa raha miherina ny taona, dia hiakatra indray ny mpanjakan'i Syria hiady aminao.

23 Ary hoy ny mpanompon'ny mpanjakan'i Syria taminy: Andriamanitry ny havoana ny Andriamanitr'izy ireo, koa izany no nahareseny antsika; fa aoka ange isika hiady aminy eny an-tany lemaka, raha tsy ho resintsika izy e.!

24 Koa izao zavatra izao no ataovy: Esory ny mpanjaka samy hiala amin'ny toerany avy, ka asio mpanapaka hisolo azy;

25 ary ianao kosa dia makà miaramila ho anao toraka ny miaramilanao izay maty teo ary soavaly ho solon'ny soavaly sy kalesy ho solon'ny kalesy; ary hiady aminy eny an-tany lemaka isika, ka dia hahery noho izy tokoa. Ary nanaiky ny tenin'ireo izy, ka dia nataony izany.

26 Ary nony niherina ny taona, dia nandamina ny Syriana Beni-hadada ka niakatra nankany Afeka hiady amin'ny Isiraely.

27 Ary ny Zanak'Isiraely rehetra kosa dia nalamina sy novatsiana, ka dia lasa hiady aminy; ary ny Zanak'Isiraely nitoby tandrifiny toy ny osy andiany kely roa toko; fa ny Syriana kosa nanenika ny tany.

28 Ary nanatona ilay lehilahin'Andriamanitra ka nilaza tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Satria ny Syriana nilaza hoe: Andriamanitry ny havoana ihany Jehovah, fa tsy mba Andriamanitry ny tany lemaka, dia hatolotro eo an-tananao ireo olona maro be rehetra ireo, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.

29 Dia nitoby mifanandrify hafitoana izy roa tonta. Ary tamin'ny andro fahafito, dia raikitra ny ady; ary ny Zanak'Isiraely nahafaty ny miaramila an-tongotra iray hetsy tamin'ny Syriana indray andro.

30 Fa ny sisa dia nandositra nankany an-tanàna Afeka; nefa nianjeran'ny manda ireny olona sisa ireny, ary fito arivo amby roa alina no isany. Ary Beni-hadada nandositra nankany an-tanàna ka niditra tao amin'ny efi-trano anatiny*. [Na: nitsofotsofoka amin'ny efi-trano]

31 Fa hoy ny mpanompony taminy: Indro, efa renay fa mpanjaka mamindra fo ireo mpanjakan'ny taranak'Isiraely. Koa masìna ianao, avelao hosikinanay lamba fisaonana* ny valahanay, ary hasianay mahazaka ny lohanay, dia hankany amin'ny mpanjakan'ny Isiraely izahay; angamba hovelominy ny ainao. [Heb. lamba malailay]

32 Dia nosikinany lamba fisaonana* ny valahany, ary nasiany mahazaka ny lohany, dia nankany amin'ny mpanjakan'ny Isiraely izy ka nanao hoe: Izao no fitenin'i Beni-hadada mpanomponao: Avelao mba ho velona ny aiko. Ary hoy izy: Moa mbola velona ihany va izy? Rahalahiko izy.[Heb. lamba malailay]

33 Ary nataon'ireo olona ireo fa zara ho azy izany*, dia namonjy nanantitra ny teniny izy ka nanao hoe: Rahalahinao hoe Beni-adada. Dia hoy izy: Mandehana, alao izy. Ary Beni-hadada nankany aminy, dia nasainy niakatra ho eo amin'ny kalesiny.[Heb. nanao sikidy]

34 Ary hoy Beni-hadada taminy: Ny tanàna izay nalain'ny raiko tamin'ny rainao dia hampodiko; ary manaova lalambe ho anao any Damaskosy, tahaka ny nataon'ny raiko tany Samaria. Ary hoy Ahaba: Halefako ianao amin'izany fanekena izany. Dia nanao fanekena taminy izy ka nandefa azy.

35 Ary nisy lehilahy anankiray, zanaky ny mpaminany, niteny tamin'ny namany araka ny tenin'i Jehovah ka nanao hoe: Masìna ianao asio aho. Fa tsy nety namely azy ilay lehilahy.

36 Dia hoy izy taminy: Satria ianao tsy nihaino ny feon'i Jehovah, indro, fa raha vao miala amiko eto ianao, dia hisy liona hamono anao. Ary raha vao niala teo aminy izy, dia hitan'ny liona ka novonoiny.

37 Ary nahita lehilahy hafa indray ralehilahy ka nanao hoe: Masìna ianao, asio aho. Ary ilay lehilahy namely azy, dia voa izy ka naratra.

38 Dia lasa ilay mpaminany ka niandry ny mpanjaka teny an-dalana, ary nasiany fehiloha tamin'ny handriny tsy hahafantarany azy.

39 Ary nony nandalo ny mpanjaka, dia nitaraina taminy ilay mpaminany ka nanao hoe: Izaho mpanomponao nankany anatin'ny ady; ary, indro, nisy lehilahy anankiray nivily ka nitondra lehilahy tany amiko sady nanao hoe: Hazony ity lehilahy ity; fa raha tahìny lasa izy, dia ny ainao no hisolo ny amy, na handoa talenta volafotsy iray ianao.

40 Kanjo nony nikeninkenina tetsy sy teroa ny mpanomponao, dia lasa izy. Ary hoy ny mpanjakan'ny Isiraely taminy: Ho tahaka izany ihany no hitsarana anao; ny tenanao no nilaza izany.

41 Ary nesoriny haingana ilay fehi-loha tamin'ny handriny; ka dia fantatry ny mpanjakan'ny Isiraely fa isan'ny mpaminany izy.

42 Dia hoy izy taminy: Izao no lazain'i Jehovah: Satria nalefanao niala teo an-tananao ny lehilahy izay nasaiko hovonoina* tokoa, dia ny ainao no hisolo ny ainy, ary ny olonao no hisolo ny olony.[Heb. nataoko herema]

43 Ary ny mpanjakan'ny Isiraely nandeha ho any an-tranony sady nalahelo no sosotra, dia tonga tany Samaria.


Chapitre 20

1 Now Ben-Hadad the king of Syria gathered all his forces together; thirty-two kings were with him, with horses and chariots. And he went up and besieged Samaria, and made war against it.

2 Then he sent messengers into the city to Ahab king of Israel, and said to him, "Thus says Ben-Hadad:

3 ‘Your silver and your gold are mine; your loveliest wives and children are mine.’

4 "And the king of Israel answered and said, "My lord, O king, just as you say, I and all that I have are yours."

5 Then the messengers came back and said, "Thus speaks Ben-Hadad, saying, ‘Indeed I have sent to you, saying, "You shall deliver to me your silver and your gold, your wives and your children"; 6 but I will send my servants to you tomorrow about this time, and they shall search your house and the houses of your servants. And it shall be, that whatever is pleasant in your eyes, they will put it in their hands and take it.

7 " So the king of Israel called all the elders of the land, and said, "Notice, please, and see how this man seeks trouble, for he sent to me for my wives, my children, my silver, and my gold; and I did not deny him."

8 And all the elders and all the people said to him, "Do not listen or consent."

9 Therefore he said to the messengers of Ben-Hadad, "Tell my lord the king, ‘All that you sent for to your servant the first time I will do, but this thing I cannot do.’" And the messengers departed and brought back word to him.

10 Then Ben-Hadad sent to him and said, "The gods do so to me, and more also, if enough dust is left of Samaria for a handful for each of the people who follow me."

11 So the king of Israel answered and said, "Tell him, ‘Let not the one who puts on his armor boast like the one who takes it off.’"

12 And it happened when Ben-Hadad heard this message, as he and the kings were drinking at the command post, that he said to his servants, "Get ready." And they got ready to attack the city.

13 Suddenly a prophet approached Ahab king of Israel, saying, "Thus says the LORD: ‘Have you seen all this great multitude? Behold, I will deliver it into your hand today, and you shall know that I am the LORD.’"

14 So Ahab said, "By whom?" And he said, "Thus says the LORD: ‘By the young leaders of the provinces.’" Then he said, "Who will set the battle in order?" And he answered, "You."

15 Then he mustered the young leaders of the provinces, and there were two hundred and thirty-two; and after them he mustered all the people, all the children of Israel—seven thousand.

16 So they went out at noon. Meanwhile Ben-Hadad and the thirty-two kings helping him were getting drunk at the command post.

17 The young leaders of the provinces went out first. And Ben-Hadad sent out a patrol, and they told him, saying, "Men are coming out of Samaria!"

18 So he said, "If they have come out for peace, take them alive; and if they have come out for war, take them alive."

19 Then these young leaders of the provinces went out of the city with the army which followed them. 20 And each one killed his man; so the Syrians fled, and Israel pursued them; and Ben-Hadad the king of Syria escaped on a horse with the cavalry. 21 Then the king of Israel went out and attacked the horses and chariots, and killed the Syrians with a great slaughter.

22 And the prophet came to the king of Israel and said to him, "Go, strengthen yourself; take note, and see what you should do, for in the spring of the year the king of Syria will come up against you."

23 Then the servants of the king of Syria said to him, "Their gods are gods of the hills. Therefore they were stronger than we; but if we fight against them in the plain, surely we will be stronger than they.

24 So do this thing: Dismiss the kings, each from his position, and put captains in their places;

25 and you shall muster an army like the army that you have lost, horse for horse and chariot for chariot. Then we will fight against them in the plain; surely we will be stronger than they." And he listened to their voice and did so.

26 So it was, in the spring of the year, that Ben-Hadad mustered the Syrians and went up to Aphek to fight against Israel.

27 And the children of Israel were mustered and given provisions, and they went against them. Now the children of Israel encamped before them like two little flocks of goats, while the Syrians filled the countryside.

28 Then a man of God came and spoke to the king of Israel, and said, "Thus says the LORD: ‘Because the Syrians have said, "The LORD is God of the hills, but He is not God of the valleys," therefore I will deliver all this great multitude into your hand, and you shall know that I am the LORD.’"

29 And they encamped opposite each other for seven days. So it was that on the seventh day the battle was joined; and the children of Israel killed one hundred thousand foot soldiers of the Syrians in one day.

30 But the rest fled to Aphek, into the city; then a wall fell on twenty-seven thousand of the men who were left. And Ben-Hadad fled and went into the city, into an inner chamber.

31 Then his servants said to him, "Look now, we have heard that the kings of the house of Israel are merciful kings. Please, let us put sackcloth around our waists and ropes around our heads, and go out to the king of Israel; perhaps he will spare your life."

32 So they wore sackcloth around their waists and put ropes around their heads, and came to the king of Israel and said, "Your servant Ben-Hadad says, ‘Please let me live.’" And he said, "Is he still alive? He is my brother."

33 Now the men were watching closely to see whether any sign of mercy would come from him; and they quickly grasped at this word and said, "Your brother Ben-Hadad." So he said, "Go, bring him." Then Ben-Hadad came out to him; and he had him come up into the chariot.

34 So Ben-Hadad said to him, "The cities which my father took from your father I will restore; and you may set up marketplaces for yourself in Damascus, as my father did in Samaria." Then Ahab said, "I will send you away with this treaty." So he made a treaty with him and sent him away.

35 Now a certain man of the sons of the prophets said to his neighbor by the word of the LORD, "Strike me, please." And the man refused to strike him.

36 Then he said to him, "Because you have not obeyed the voice of the LORD, surely, as soon as you depart from me, a lion shall kill you." And as soon as he left him, a lion found him and killed him.

37 And he found another man, and said, "Strike me, please." So the man struck him, inflicting a wound.

38 Then the prophet departed and waited for the king by the road, and disguised himself with a bandage over his eyes.

39 Now as the king passed by, he cried out to the king and said, "Your servant went out into the midst of the battle; and there, a man came over and brought a man to me, and said, ‘Guard this man; if by any means he is missing, your life shall be for his life, or else you shall pay a talent of silver.’

40 While your servant was busy here and there, he was gone." Then the king of Israel said to him, "So shall your judgment be; you yourself have decided it."

41 And he hastened to take the bandage away from his eyes; and the king of Israel recognized him as one of the prophets.

42 Then he said to him, "Thus says the LORD: ‘Because you have let slip out of your hand a man whom I appointed to utter destruction, therefore your life shall go for his life, and your people for his people.’"

43 So the king of Israel went to his house sullen and displeased, and came to Samaria.

Chapitre 20

1Ben Hadad, roi de Syrie, rassembla toute son armée; il avait avec lui trente-deux rois, des chevaux et des chars. Il monta, mit le siège devant Samarie et l'attaqua.

2Il envoya dans la ville des messagers à Achab, roi d'Israël,

3et lui fit dire: Ainsi parle Ben Hadad: Ton argent et ton or sont à moi, tes femmes et tes plus beaux enfants sont à moi.

4Le roi d'Israël répondit: Roi, mon seigneur, comme tu le dis, je suis à toi avec tout ce que j'ai.

5Les messagers retournèrent, et dirent: Ainsi parle Ben Hadad: Je t'ai fait dire: Tu me livreras ton argent et ton or, tes femmes et tes enfants.

6J'enverrai donc demain, à cette heure, mes serviteurs chez toi; ils fouilleront ta maison et les maisons de tes serviteurs, ils mettront la main sur tout ce que tu as de précieux, et ils l'emporteront.

7Le roi d'Israël appela tous les anciens du pays, et il dit: Sentez bien et comprenez que cet homme nous veut du mal; car il m'a envoyé demander mes femmes et mes enfants, mon argent et mon or, et je ne lui avais pas refusé!

8Tous les anciens et tout le peuple dirent à Achab: Ne l'écoute pas et ne consens pas.

9Et il dit aux messagers de Ben Hadad: Dites à mon seigneur le roi: Je ferai tout ce que tu as envoyé demander à ton serviteur la première fois; mais pour cette chose, je ne puis pas la faire. Les messagers s'en allèrent, et lui portèrent la réponse.

10Ben Hadad envoya dire à Achab: Que les dieux me traitent dans toute leur rigueur, si la poussière de Samarie suffit pour remplir le creux de la main de tout le peuple qui me suit!

11Et le roi d'Israël répondit: Que celui qui revêt une armure ne se glorifie pas comme celui qui la dépose!

12Lorsque Ben Hadad reçut cette réponse, il était à boire avec les rois sous les tentes, et il dit à ses serviteurs: Faites vos préparatifs! Et ils firent leurs préparatifs contre la ville.

13Mais voici, un prophète s'approcha d'Achab, roi d'Israël, et il dit: Ainsi parle l'Éternel: Vois-tu toute cette grande multitude? Je vais la livrer aujourd'hui entre tes mains, et tu sauras que je suis l'Éternel.

14Achab dit: Par qui? Et il répondit: Ainsi parle l'Éternel: Par les serviteurs des chefs des provinces. Achab dit: Qui engagera le combat? Et il répondit: Toi.

15Alors Achab passa en revue les serviteurs des chefs des provinces, et il s'en trouva deux cent trente-deux; et après eux, il passa en revue tout le peuple, tous les enfants d'Israël, et ils étaient sept mille.

16Ils firent une sortie à midi. Ben Hadad buvait et s'enivrait sous les tentes avec les trente-deux rois, ses auxiliaires.

17Les serviteurs des chefs des provinces sortirent les premiers. Ben Hadad s'informa, et on lui fit ce rapport: Des hommes sont sortis de Samarie.

18Il dit: S'ils sortent pour la paix, saisissez-les vivants; et s'ils sortent pour le combat, saisissez-les vivants.

19Lorsque les serviteurs des chefs des provinces et l'armée qui les suivait furent sortis de la ville,

20chacun frappa son homme, et les Syriens prirent la fuite. Israël les poursuivit. Ben Hadad, roi de Syrie, se sauva sur un cheval, avec des cavaliers.

21Le roi d'Israël sortit, frappa les chevaux et les chars, et fit éprouver aux Syriens une grande défaite.

22Alors le prophète s'approcha du roi d'Israël, et lui dit: Va, fortifie toi, examine et vois ce que tu as à faire; car, au retour de l'année, le roi de Syrie montera contre toi.

23Les serviteurs du roi de Syrie lui dirent: Leur dieu est un dieu de montagnes; c'est pourquoi ils ont été plus forts que nous. Mais combattons-les dans la plaine, et l'on verra si nous ne serons pas plus forts qu'eux.

24Fais encore ceci: ôte chacun des rois de son poste, et remplace-les par des chefs;

25et forme-toi une armée pareille à celle que tu as perdue, avec autant de chevaux et autant de chars. Puis nous les combattrons dans la plaine, et l'on verra si nous ne serons pas plus forts qu'eux. Il les écouta, et fit ainsi.

26L'année suivante, Ben Hadad passa les Syriens en revue, et monta vers Aphek pour combattre Israël.

27Les enfants d'Israël furent aussi passés en revue; ils reçurent des vivres, et ils marchèrent à la rencontre des Syriens. Ils campèrent vis-à-vis d'eux, semblables à deux petits troupeaux de chèvres, tandis que les Syriens remplissaient le pays.

28L'homme de Dieu s'approcha, et dit au roi d'Israël: Ainsi parle l'Éternel: Parce que les Syriens ont dit: L'Éternel est un dieu des montagnes et non un dieu des vallées, je livrerai toute cette grande multitude entre tes mains, et vous saurez que je suis l'Éternel.

29Ils campèrent sept jours en face les uns des autres. Le septième jour, le combat s'engagea, et les enfants d'Israël tuèrent aux Syriens cent mille hommes de pied en un jour.

30Le reste s'enfuit à la ville d'Aphek, et la muraille tomba sur vingt-sept mille hommes qui restaient. Ben Hadad s'était réfugié dans la ville, où il allait de chambre en chambre.

31Ses serviteurs lui dirent: Voici, nous avons appris que les rois de la maison d'Israël sont des rois miséricordieux; nous allons mettre des sacs sur nos reins et des cordes à nos têtes, et nous sortirons vers le roi d'Israël: peut-être qu'il te laissera la vie.

32Ils se mirent des sacs autour des reins et des cordes autour de la tête, et ils allèrent auprès du roi d'Israël. Ils dirent: Ton serviteur Ben Hadad dit: Laisse-moi la vie! Achab répondit: Est-il encore vivant? Il est mon frère.

33Ces hommes tirèrent de là un bon augure, et ils se hâtèrent de le prendre au mot et de dire: Ben Hadad est ton frère! Et il dit: Allez, amenez-le. Ben Hadad vint vers lui, et Achab le fit monter sur son char.

34Ben Hadad lui dit: Je te rendrai les villes que mon père a prises à ton père; et tu établiras pour toi des rues à Damas, comme mon père en avait établies à Samarie. Et moi, reprit Achab, je te laisserai aller, en faisant une alliance. Il fit alliance avec lui, et le laissa aller.

35L'un des fils des prophètes dit à son compagnon, d'après l'ordre de l'Éternel: Frappe-moi, je te prie! Mais cet homme refusa de le frapper.

36Alors il lui dit: Parce que tu n'as pas obéi à la voix de l'Éternel, voici, quand tu m'auras quitté, le lion te frappera. Et quand il l'eut quitté, le lion le rencontra et le frappa.

37Il trouva un autre homme, et il dit: Frappe-moi, je te prie! Cet homme le frappa et le blessa.

38Le prophète alla se placer sur le chemin du roi, et il se déguisa avec un bandeau sur les yeux.

39Lorsque le roi passa, il cria vers lui, et dit: Ton serviteur était au milieu du combat; et voici, un homme s'approche et m'amène un homme, en disant: Garde cet homme; s'il vient à manquer, ta vie répondra de sa vie, ou tu paieras un talent d'argent!

40Et pendant que ton serviteur agissait çà et là, l'homme a disparu. Le roi d'Israël lui dit: C'est là ton jugement; tu l'as prononcé toi-même.

41Aussitôt le prophète ôta le bandeau de dessus ses yeux, et le roi d'Israël le reconnut pour l'un des prophètes.

42Il dit alors au roi: Ainsi parle l'Éternel: Parce que tu as laissé échapper de tes mains l'homme que j'avais dévoué par interdit, ta vie répondra de sa vie, et ton peuple de son peuple.

43Le roi d'Israël s'en alla chez lui, triste et irrité, et il arriva à Samarie.