T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 19

1 [Ny nandosiran'i Elia nankany an-efitra, sy ny nisehoan'Andriamanitra taminy tao Horeba, ary ny nanendrena an'i Elisa handimby azy] Dia nolazain'i Ahaba tamin'i Jezebela izay rehetra nataon'i Elia, dia ny namonoany ny mpaminany rehetra tamin'ny sabatra.

2 Ary Jezebela naniraka olona tany amin'i Elia hanao hoe: Hataon'ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko toy ny ain'ny anankiray amin'ireny ny ainao raha maraina toy izao.

3 Ary raha nahita izany izy, dia niainga ka lasa nandeha hamonjy ny ainy dia nankany Beri-sheba, izay any Joda, ary ny zatovo najanony tao.

4 Fa izy kosa nandeha lalana indray andro tany an-efitra, ary tonga ka nipetraka teo ambanin'ny anjavidy* anankiray; dia nangataka ho faty izy ka nanao hoe: Aoka izay! alao ny aiko ankehitriny, Jehovah ô. fa tsy tsara noho ny razako aho.[Heb. rotema; zava-maniry mifanahatahaka amin'ny kifafam-bohitra]

5 Ary raha nandry natory teo ambanin'ny anjavidy* anankiray izy, indro, nisy anjely nanohina azy ka nanao taminy hoe. Miarena, ka homàna. [Heb. rotema; zava-maniry mifanahatahaka amin'ny kifafam-bohitra]

6 Dia nijery izy, ka, indro, teo anilan'ny lohany nisy mofo voaendy tamin'ny vato mahamay sy rano iray tavoara; ary nihinana sy nisotro izy, dia nandry indray.

7 Ary avy fanindroany indray Ilay Anjelin'i Jehovah, dia nanohina azy ka nanao hoe: Mitohaza, ka homàna, fa lavitra loatra ny halehanao.

8 Dia nifoha izy ka nihinana sy nisotro; ary nandeha tamin'ny tanjaka azony tamin'izany hanina izany efa-polo andro efa-polo alina izy ho any Horeba, tendrombohitr'Andriamanitra.

9 Ary niditra tao anatin'ny zohy izy ka nitoetra tao. Ary, indro, tonga taminy ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Manao inona atỳ ianao, ry Elia?

 

10 Dia hoy izy: Nafana dia nafana ny foko noho ny fitiavako an'i Jehovah, Andriamanitry ny maro; fa ny Zanak'Isiraely nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao noravany, ny mpaminaninao novonoiny tamin'ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa, nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy.

11 Ary hoy Jehovah: Mivoaha, ka mitsangana eo ambonin'ny tendrombohitra eo anatrehan'i Jehovah. Ary, indro, nandalo Jehovah, ka nisy rivotra be sady mahery namakivaky ny tendrombohitra sy nanorotoro ny harambato teo alohan': Jehovah; nefa Jehovah tsy tao amin'ny rivotra; ary manarakaraka ny rivotra nisy horohoron-tany; nefa Jehovah tsy tao amin'ny horohoron-tany;

12 ary manarakaraka ny horohorontany nisy afo; nefa Jehovah tsy tao amin'ny afo; ary manarakaraka ny afo nisy feo nitsoka malemy.

13 Ary raha ren'i Elia izany, dia nosaronany ny kapôtiny ny tavany, ary nivoaka izy ka nijanona teo am-bava-zohy. Ary, indro, nisy feo nankao aminy nanao hoe: Manao inona atỳ ianao ry Elia ?

14 Dia hoy izy: Nafana dia nafana ny foko noho ny fitiavako an'i Jehovah, Andriamanitry ny maro; fa ny Zanak'Isiraely efa nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao noravany, ary ny mpaminaninao novonoiny tamin'ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa. nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy.

15 Fa hoy Jehovah taminy: Mandehana, miverena amin'ny nalehanao ho any amin'ny efitr'i Damaskosy; ary raha mby any ianao, dia hosory Hazaela ho mpanjakan'i Syria;

16 Ary Jeho,zanak'i Nimsy, dia hosory ho mpanjakan'ny Isiraely; ary Elisa, zanak'i Safata, avy any Abela-mehola, dia hosory ho mpaminany handimby anao.

17 Ary izay afa-mandositra ny sabatr'i Hazaela dia hovonoin'i Jeho; ary izay afa-mandositra ny sabatr'i Jeho kosa dia hovonoin'i Elisa.

18 Nefa hamela fito arivo ao amin'ny Isiraely Aho, dia ny lohalika rehetra izay tsy nandohalika tamin'i Bala sy ny vava rehetra izay tsy nanoroka azy.

19 Ary niala teo Elia ka nahita an'i Elisa, zanak'i Safata, izay nampiasa omby efatra amby roa-polo mikambana tsiroaroa avy, fa izy teo amin'ny roa farany indrindra; ary Elia nandroso nanatona azy, dia nanipy ny kapôtiny hanarona azy.

20 Dia nandao ny omby izy ka nihazakazaka nanaraka an'i Elia ary niteny hoe: Masìna ianao, avelao aho aloha hanoroka an'ikaky sy ineny vao manaraka anao. Ary hoy izy taminy: Mandehana miverina, fa naninona anao moa aho?

21 Dia niverina niala taminy indray izy ka naka ny omby roa mikambana, dia namono azy, ary nandrahoiny* tamin'ny hazo fiasàn'ny omby ny henany ka nomeny ny olona, dia nihinana ireo; ary niainga izy ka nanaraka an'i Elia, dia nanompo azy.[Na: natonony]


 

Chapitre 19

Elijah Escapes from Jezebel

1 And Ahab told Jezebel all that Elijah had done, also how he had executed all the prophets with the sword.

2 Then Jezebel sent a messenger to Elijah, saying, "So let the gods do to me, and more also, if I do not make your life as the life of one of them by tomorrow about this time."

3 And when he saw that, he arose and ran for his life, and went to Beersheba, which belongs to Judah, and left his servant there.

4 But he himself went a day’s journey into the wilderness, and came and sat down under a broom tree. And he prayed that he might die, and said, "It is enough! Now, LORD, take my life, for I am no better than my fathers!"

5 Then as he lay and slept under a broom tree, suddenly an angel[a] touched him, and said to him, "Arise and eat."

6 Then he looked, and there by his head was a cake baked on coals, and a jar of water. So he ate and drank, and lay down again.

7 And the angel[b] of the LORD came back the second time, and touched him, and said, "Arise and eat, because the journey is too great for you."

8 So he arose, and ate and drank; and he went in the strength of that food forty days and forty nights as far as Horeb, the mountain of God.

9 And there he went into a cave, and spent the night in that place; and behold, the word of the LORD came to him, and He said to him, "What are you doing here, Elijah?"

10 So he said, "I have been very zealous for the LORD God of hosts; for the children of Israel have forsaken Your covenant, torn down Your altars, and killed Your prophets with the sword. I alone am left; and they seek to take my life."

God’s Revelation to Elijah

11 Then He said, "Go out, and stand on the mountain before the LORD." And behold, the LORD passed by, and a great and strong wind tore into the mountains and broke the rocks in pieces before the LORD, but the LORD was not in the wind; and after the wind an earthquake, but the LORD was not in the earthquake;

12 and after the earthquake a fire, but the LORD was not in the fire; and after the fire a still small voice.

13 So it was, when Elijah heard it, that he wrapped his face in his mantle and went out and stood in the entrance of the cave. Suddenly a voice came to him, and said, "What are you doing here, Elijah?"

14 And he said, "I have been very zealous for the LORD God of hosts; because the children of Israel have forsaken Your covenant, torn down Your altars, and killed Your prophets with the sword. I alone am left; and they seek to take my life."

15 Then the LORD said to him: "Go, return on your way to the Wilderness of Damascus; and when you arrive, anoint Hazael as king over Syria.

16 Also you shall anoint Jehu the son of Nimshi as king over Israel. And Elisha the son of Shaphat of Abel Meholah you shall anoint as prophet in your place.

17 It shall be that whoever escapes the sword of Hazael, Jehu will kill; and whoever escapes the sword of Jehu, Elisha will kill.

18 Yet I have reserved seven thousand in Israel, all whose knees have not bowed to Baal, and every mouth that has not kissed him."

Elisha Follows Elijah

19 So he departed from there, and found Elisha the son of Shaphat, who was plowing with twelve yoke of oxen before him, and he was with the twelfth. Then Elijah passed by him and threw his mantle on him.

20 And he left the oxen and ran after Elijah, and said, "Please let me kiss my father and my mother, and then I will follow you." And he said to him, "Go back again, for what have I done to you?"

21 So Elisha turned back from him, and took a yoke of oxen and slaughtered them and boiled their flesh, using the oxen’s equipment, and gave it to the people, and they ate. Then he arose and followed Elijah, and became his servant.

 

Chapitre 19

1Achab rapporta à Jézabel tout ce qu'avait fait Élie, et comment il avait tué par l'épée tous les prophètes.

2Jézabel envoya un messager à Élie, pour lui dire: Que les dieux me traitent dans toute leur rigueur, si demain, à cette heure, je ne fais de ta vie ce que tu as fait de la vie de chacun d'eux!

3Élie, voyant cela, se leva et s'en alla, pour sauver sa vie. Il arriva à Beer Schéba, qui appartient à Juda, et il y laissa son serviteur.

4Pour lui, il alla dans le désert où, après une journée de marche, il s'assit sous un genêt, et demanda la mort, en disant: C'est assez! Maintenant, Éternel, prends mon âme, car je ne suis pas meilleur que mes pères.

5Il se coucha et s'endormit sous un genêt. Et voici, un ange le toucha, et lui dit: Lève-toi, mange.

6Il regarda, et il y avait à son chevet un gâteau cuit sur des pierres chauffées et une cruche d'eau. Il mangea et but, puis se recoucha.

7L'ange de l'Éternel vint une seconde fois, le toucha, et dit: Lève-toi, mange, car le chemin est trop long pour toi.

8Il se leva, mangea et but; et avec la force que lui donna cette nourriture, il marcha quarante jours et quarante nuits jusqu'à la montagne de Dieu, à Horeb.

9Et là, il entra dans la caverne, et il y passa la nuit. Et voici, la parole de l'Éternel lui fut adressée, en ces mots: Que fais-tu ici, Élie?

10Il répondit: J'ai déployé mon zèle pour l'Éternel, le Dieu des armées; car les enfants d'Israël ont abandonné ton alliance, ils ont renversé tes autels, et ils ont tué par l'épée tes prophètes; je suis resté, moi seul, et ils cherchent à m'ôter la vie.

11L'Éternel dit: Sors, et tiens-toi dans la montagne devant l'Éternel! Et voici, l'Éternel passa. Et devant l'Éternel, il y eut un vent fort et violent qui déchirait les montagnes et brisait les rochers: l'Éternel n'était pas dans le vent. Et après le vent, ce fut un tremblement de terre: l'Éternel n'était pas dans le tremblement de terre.

12Et après le tremblement de terre, un feu: l'Éternel n'était pas dans le feu. Et après le feu, un murmure doux et léger.

13Quand Élie l'entendit, il s'enveloppa le visage de son manteau, il sortit et se tint à l'entrée de la caverne. Et voici, une voix lui fit entendre ces paroles: Que fais-tu ici, Élie?

14Il répondit: J'ai déployé mon zèle pour l'Éternel, le Dieu des armées; car les enfants d'Israël ont abandonné ton alliance, ils ont renversé tes autels, et ils ont tué par l'épée tes prophètes; je suis resté, moi seul, et ils cherchent à m'ôter la vie.

15L'Éternel lui dit: Va, reprends ton chemin par le désert jusqu'à Damas; et quand tu seras arrivé, tu oindras Hazaël pour roi de Syrie.

16Tu oindras aussi Jéhu, fils de Nimschi, pour roi d'Israël; et tu oindras Élisée, fils de Schaphath, d'Abel Mehola, pour prophète à ta place.

17Et il arrivera que celui qui échappera à l'épée de Hazaël, Jéhu le fera mourir; et celui qui échappera à l'épée de Jéhu, Élisée le fera mourir.

18Mais je laisserai en Israël sept mille hommes, tous ceux qui n'ont point fléchi les genoux devant Baal, et dont la bouche ne l'a point baisé.

19Élie partit de là, et il trouva Élisée, fils de Schaphath, qui labourait. Il y avait devant lui douze paires de boeufs, et il était avec la douzième. Élie s'approcha de lui, et il jeta sur lui son manteau.

20Élisée, quittant ses boeufs, courut après Élie, et dit: Laisse-moi embrasser mon père et ma mère, et je te suivrai. Élie lui répondit: Va, et reviens; car pense à ce que je t'ai fait.

21Après s'être éloigné d'Élie, il revint prendre une paire de boeufs, qu'il offrit en sacrifice; avec l'attelage des boeufs, il fit cuire leur chair, et la donna à manger au peuple. Puis il se leva, suivit Élie, et fut à son service.