| Chapitre 17 1 [Ny niandohan'ny asan'i Elia mpaminany] Ary Elia Tisbita, isan'ny nivahiny tany Gileada, nilaza tamin'i Ahaba hoe: Raha velona koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay itsanganako eo anatrehany, dia tsy hisy ando na ranonorana akory amin'izao taona izao, raha tsy araka ny teniko ihany. 2 Ary ny tenin'i Jehovah tonga taminy nanao hoe: 3 Mialà eto ianao, dia miantsinanàna ka miere any anilan'ny renirano Kerita, izay any atsinanan'i Jordana. 4 Koa ny renirano no hisotroanao, ary ny goaika efa nodidiako hamelona anao any. 5 Dia lasa izy ka nanao araka ny tenin'i Jehovah; fa nandeha izy ka nititra teo anilan'ny renirano Kerita any atsinanan'i Jordana. 6 Ary ny goaika nitondra mofo sy hena ho azy isa-maraina ary mofo sy hena isan-kariva, ary ny rano tamin'ny renirano no nisotroany. 7 Ary nony ela, dia ritra ny renirano noho ny tsi-fisian'ny ranonorana tamin'ny tany. 8 Ary ny tenin'i Jehovah tonga taminy ka nanao hoe: 9 Miaingà ka mankanesa any Zarefata, izay naman'i Sidona, ary mitoera any; fa, indro, misy vehivavy mpitondratena any izay notendreko hamelona anao. 10 Dia niainga izy ka nankany Zarefata. Ary nony mby teo am-bavahadin'ny tanàna izy, dia, indro, nisy vehivavy mpitondratena nanangona kitay hazo teo; ary niantso azy Elia ka nanao hoe: Masìna ianao. itondray rano kely amin'ny fisotroana aho mba hosotroiko. 11 Ary nony lasa naka ravehivavy, dia miantso azy Elia ka nanao hoe: Masìna ianao, itondray mofo kely koa eny an-tananao aho. 12 Fa hoy ravehivavy: Raha velona koa Jehovah Andriamanitrao, tsy manana mofo na dia iray akory aza aho, fa koba kely eran-tànan'ila ao amin'ny barika sy diloilo kely foana ao amin'ny tavoara; ary, he! maka tapa-kazo roa aho izao, ka hiditra hanamboatra ireo hohaninay mianaka, dia ho faty izahay. 13 Fa hoy Elia taminy: Aza matahotra, fa andeha miditra, ka manaova araka izany lazainao izany; nefa anaovy mofo kely ihany aho aloha, ka ento etỳ amiko, ary rehefa izany, dia vao manaova ho anao sy ny zanakao koa. 14 Fa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tsy ho lany ny koba ao amin'ny barika, ary tsy ho ritra ny diloilo ao amin'ny tavoara mandra-pihavin'ny andro handatsahan'i Jehovah ranonorana amin'ny tany. 15 Dia nandeha ravehivavy ka nanao araka ny tenin'i Elia, ary izy sy ravehivavy mbamin'ny ankohonany dia nanan-kohanina elaela ihany. 16 Nefa tsy lany ny koba tao amin'ny barika, ary tsy ritra ny diloilo tao amin'ny tavoara, araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Elia. 17 Ary nony afaka izany, dia narary ny zana-dravehivavy tompon-trano, ary mafy indrindra ny aretiny, ka efa tsy nisy fofonaina intsony izy. 18 Dia hoy ravehivavy tamin'i Elia: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry lehilahin'Andriamanitra ô ? Tonga atỳ amiko va ianao hampahatsiaro ny fahotako ka hahafaty ny zanako ? 19 Ary hoy Elia taminy: Atolory ahy ny zanakao. Dia naka ny zaza teo an-tratran-dreniny izy ka nitondra azy niakatra ho any an-efi-trano ambony izay nitoerany, ary nampandry azy teo am-pandriany. 20 Dia nitaraina tamin'i Jehovah izy ka nanao hoe: Jehovah Andriamanitro ô, efa nahatonga loza koa tamin'ny mpitondratena izay nivahiniako va Hianao ka nahafaty ny zanany? 21 Dia niampatra intelo tamin'ny zaza izy sady nitaraina tamin'i Jehovah hoe: Jehovah Andriamanitro ô, mifona aminao aho, aoka hody aminy indray ny ain'ity zaza ity. 22 Ary Jehovah nihaino ny feon'i Elia, dia nody taminy indray ny ain'ny zaza, ka dia velona izy. 23 Ary Elia nandray ny zaza ka nitondra azy nidina avy tao an-efi-trano ambony ho ao anaty trano, dia natolony an-dreniny, ka hoy izy: Inty, fa velona ny zanakao.. 24 Ary hoy ravehivavy tamin'i Elia: Ankehitriny izao dia fantatro fa lehilahin'Andriamanitra tokoa ianao, ary marina ny tenin'i Jehovah aloaky ny vavanao.
| | Chapitre 17 1 Elijah the Tishbite, who was of the foreigners of Gilead, said to Ahab, “As Yahweh, the God of Israel, lives, before whom I stand, there shall not be dew nor rain these years, but according to my word.” 2 The word of Yahweh came to him, saying, 3 “Go away from here, turn eastward, and hide yourself by the brook Cherith, that is before the Jordan. 4 It shall be, that you shall drink of the brook. I have commanded the ravens to feed you there.” 5 So he went and did according to the word of Yahweh; for he went and lived by the brook Cherith, that is before the Jordan. 6 The ravens brought him bread and flesh in the morning, and bread and flesh in the evening; and he drank of the brook. 7 It happened after a while, that the brook dried up, because there was no rain in the land. 8 The word of Yahweh came to him, saying, 9 “Arise, go to Zarephath, which belongs to Sidon, and stay there. Behold, I have commanded a widow there to sustain you.” 10 So he arose and went to Zarephath; and when he came to the gate of the city, behold, a widow was there gathering sticks: and he called to her, and said, “Please get me a little water in a vessel, that I may drink.” 11 As she was going to get it, he called to her, and said, “Please bring me a morsel of bread in your hand.” 12 She said, “As Yahweh your God lives, I don’t have a cake, but a handful of meal in the jar, and a little oil in the jar. Behold, I am gathering two sticks, that I may go in and bake it for me and my son, that we may eat it, and die.” 13 Elijah said to her, “Don’t be afraid. Go and do as you have said; but make me of it a little cake first, and bring it out to me, and afterward make some for you and for your son. 14 For thus says Yahweh, the God of Israel, ‘The jar of meal shall not empty, neither shall the jar of oil fail, until the day that Yahweh sends rain on the earth.’” 15 She went and did according to the saying of Elijah: and she, and he, and her house, ate many days. 16 The jar of meal didn’t empty, neither did the jar of oil fail, according to the word of Yahweh, which he spoke by Elijah. 17 It happened after these things, that the son of the woman, the mistress of the house, fell sick; and his sickness was so severe, that there was no breath left in him. 18 She said to Elijah, “What have I to do with you, you man of God? You have come to me to bring my sin to memory, and to kill my son!” 19 He said to her, “Give me your son.” He took him out of her bosom, and carried him up into the room where he stayed, and laid him on his own bed. 20 He cried to Yahweh, and said, “Yahweh my God, have you also brought evil on the widow with whom I stay, by killing her son?” 21 He stretched himself on the child three times, and cried to Yahweh, and said, “Yahweh my God, please let this child’s soul come into him again.” 22 Yahweh listened to the voice of Elijah; and the soul of the child came into him again, and he revived. 23 Elijah took the child, and brought him down out of the room into the house, and delivered him to his mother; and Elijah said, “Behold, your son lives.” 24 The woman said to Elijah, “Now I know that you are a man of God, and that the word of Yahweh in your mouth is truth.”
| | Chapitre 17 1Élie, le Thischbite, l'un des habitants de Galaad, dit à Achab: L'Éternel est vivant, le Dieu d'Israël, dont je suis le serviteur! il n'y aura ces années-ci ni rosée ni pluie, sinon à ma parole. 2Et la parole de l'Éternel fut adressée à Élie, en ces mots: 3Pars d'ici, dirige-toi vers l'orient, et cache-toi près du torrent de Kerith, qui est en face du Jourdain. 4Tu boiras de l'eau du torrent, et j'ai ordonné aux corbeaux de te nourrir là. 5Il partit et fit selon la parole de l'Éternel, et il alla s'établir près du torrent de Kerith, qui est en face du Jourdain. 6Les corbeaux lui apportaient du pain et de la viande le matin, et du pain et de la viande le soir, et il buvait de l'eau du torrent. 7Mais au bout d'un certain temps le torrent fut à sec, car il n'était point tombé de pluie dans le pays. 8Alors la parole de l'Éternel lui fut adressée en ces mots: 9Lève-toi, va à Sarepta, qui appartient à Sidon, et demeure là. Voici, j'y ai ordonné à une femme veuve de te nourrir. 10Il se leva, et il alla à Sarepta. Comme il arrivait à l'entrée de la ville, voici, il y avait là une femme veuve qui ramassait du bois. Il l'appela, et dit: Va me chercher, je te prie, un peu d'eau dans un vase, afin que je boive. 11Et elle alla en chercher. Il l'appela de nouveau, et dit: Apporte-moi, je te prie, un morceau de pain dans ta main. 12Et elle répondit: L'Éternel, ton Dieu, est vivant! je n'ai rien de cuit, je n'ai qu'une poignée de farine dans un pot et un peu d'huile dans une cruche. Et voici, je ramasse deux morceaux de bois, puis je rentrerai et je préparerai cela pour moi et pour mon fils; nous mangerons, après quoi nous mourrons. 13Élie lui dit: Ne crains point, rentre, fais comme tu as dit. Seulement, prépare-moi d'abord avec cela un petit gâteau, et tu me l'apporteras; tu en feras ensuite pour toi et pour ton fils. 14Car ainsi parle l'Éternel, le Dieu d'Israël: La farine qui est dans le pot ne manquera point et l'huile qui est dans la cruche ne diminuera point, jusqu'au jour où l'Éternel fera tomber de la pluie sur la face du sol. 15Elle alla, et elle fit selon la parole d'Élie. Et pendant longtemps elle eut de quoi manger, elle et sa famille, aussi bien qu'Élie. 16La farine qui était dans le pot ne manqua point, et l'huile qui était dans la cruche ne diminua point, selon la parole que l'Éternel avait prononcée par Élie. 17Après ces choses, le fils de la femme, maîtresse de la maison, devint malade, et sa maladie fut si violente qu'il ne resta plus en lui de respiration. 18Cette femme dit alors à Élie: Qu'y a-t-il entre moi et toi, homme de Dieu? Es-tu venu chez moi pour rappeler le souvenir de mon iniquité, et pour faire mourir mon fils? 19Il lui répondit: Donne-moi ton fils. Et il le prit du sein de la femme, le monta dans la chambre haute où il demeurait, et le coucha sur son lit. 20Puis il invoqua l'Éternel, et dit: Éternel, mon Dieu, est-ce que tu affligerais, au point de faire mourir son fils, même cette veuve chez qui j'ai été reçu comme un hôte? 21Et il s'étendit trois fois sur l'enfant, invoqua l'Éternel, et dit: Éternel, mon Dieu, je t'en prie, que l'âme de cet enfant revienne au dedans de lui! 22L'Éternel écouta la voix d'Élie, et l'âme de l'enfant revint au dedans de lui, et il fut rendu à la vie. 23Élie prit l'enfant, le descendit de la chambre haute dans la maison, et le donna à sa mère. Et Élie dit: Vois, ton fils est vivant. 24Et la femme dit à Élie: Je reconnais maintenant que tu es un homme de Dieu, et que la parole de l'Éternel dans ta bouche est vérité. | |