T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 15

1 [Ny nanjakan'i Abia sy Asa tamin'ny Joda] Ary tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, no vao nanjakan'i Abia tamin'ny Joda.

2 Telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Imaka, zanakavavin'i Absaloma.

3 Ary nandeha tamin'ny fahotana rehetra nataon-drainy izy, dia izay nataony teo alohany; ary ny fony tsy mba nahitsy tamin'i Jehovah Andriamaniny tahaka ny fon'i Davida rainy.

4 Nefa noho ny amin'i Davida dia nomen'i Jehovah Andriamaniny fanilo tany Jerosalema ihany izy, fa natsangany handimby azy ny zanany, sady nampaharitra an'i Jerosalema Izy,

5 satria Davida nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah ka tsy nivily niala tamin'izay nandidiany azy tamin'ny andro rehetra niainany, afa-tsy ilay tamin'i Oria Hetita ihany.

6 Ary niady Rehoboama sy Jeroboama tamin'ny andro rehetra niainany.

7 Ary ny tantaran'i Abia sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany ? Ary niady Abia sy Jeroboama

8 Ary Abia lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan'i Davida izy; ary Asa zanany no nanjaka nandimby azy.

9 Ary tamin'ny taona faharoa-polo nanjakan'i Jeroboama, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Asa tamin'ny Joda.

10 Ary iraika amby efa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Imaka, zanakavavin'i Absaloma.

11 Ary Asa nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah toy ny nataon'i Davida rainy.

12 Fa nesoriny tamin'ny tany ny olona izay nanolotena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, sady nariany ny sampy rehetra izay nataon-drainy.

13 Ary na dia Imaka reniny aza dia naetriny tsy ho andriambavy, satria efa nanao sampy ho an'ny Aseraha; ary Asa nikapa ny sampiny ka nandoro azy tao an-dohasahan-driaka Kidrona.

14 Fa ny fitoerana avo tsy mba noravana; nefa nahitsy teo imason'i Jehovah ny fon'i Asa tamin'ny andro rehetra niainany.

15 Ary nampidiriny ho ao an-tranon'i Jehovah ny zavatra izay nohamasinin-drainy mbamin'izay nohamasinin'ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary fanaka.

16 Ary niady Asa sy Basa, mpanjakan'ny Isiraely, tamin'ny andro rehetra niainany.

17 Ary Basa, mpanjakan'ny Isiraely, niakatra hamely ny Joda, dia nanamboatra an'i Rama mba tsy hisy hahazo hivoaka sy hiditra ho any amin'i Asa, mpanjakan'ny Joda.

18 Ary Asa naka ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay sisa tamin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah sy tamin'ny rakitry ny tranon ny mpanjaka, ka natolony teo an-tànan'ny mpanompony; ary Asa mpanjaka nampanatitra azy tany amin'i Beni-hadada, zanak'i Tabrimona, zanak'i Heziona, mpanjakan'i Syria, izay nonina tao Damaskosy, ka nanao hoe:

19 Aoka hisy fanekena amiko sy aminao toy ny tamin'ny raiko sy ny rainao; koa, indro, mampanatitra volafotsy sy volamena ho fanomezana ho anao aho; andeha, tsoahy ny fanekenao tamin'i Basa, mpanjakan'ny Isiraely, mba hialany amiko.

20 Ary Beni-hadada nihaino an'i Asa mpanjaka ka naniraka komandin'ny miaramilany hamely ny tanànan'ny Isiraely, ary namely an'Iona sy Dana sy Abelabeti-maka ary Kinerota rehetra mbamin'ny tanin'ny Naftaly rehetra izy.

21 Ary rehefa ren'i Basa izany, dia nitsahatra tsy nanamboatra an'i Rama intsony izy sady nitoetra tao Tirza.

22 Ary Asa mpanjaka kosa nampandre ny Joda rehetra (tsy nisy tsy nampandrenesiny); ary dia nesorin'ny olona ny vato sy ny hazo tao Rama, izay naorin'i Basa; ary nentin'i Asa mpanjaka nanamboatra an'i Geban'i Benjamina sy Mizpa kosa izany.

23 Ary ny tantaran'i Asa sisa rehetra sy ny heriny rehetra mbamin'izay rehetra nataony ary ny tanàna izay nataony, tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany? Nefa kosa tamin'ny andro fahanterany dia narary tamin'ny tongony izy.

24 Ary lasa nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Josafata zanany no nanjaka nandimby azy.

25 [Ny nanjahan'i Nadaba sy Basa sy Elaha sy Zimry ary Omry tamin'ny Isiraely] Ary Nadaba, zanak'i Jeroboama, vao nanjaka tamin'ny Isiraely tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda; ary nanjaka roa taona tamin'ny Isiraely izy.

26 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa nandeha tamin'ny lalan-drainy sy tamin'ny fahotany izay nampanotany ny Isiraely.

27 Ary Basa, zanak'i Ahia, amin'ny taranak'Isakara, nikomy taminy dia namely azy tao Gibetona, izay an'ny Filistina (fa Nadaba sy ny Isiraely rehetra nanao fahirano an'i Gibetona fahizay).

28 Ary Basa nahafaty azy tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, ka dia nanjaka nisolo azy.

29 Ary rehefa nanjaka izy, dia namely ny mpianakavin'i Jeroboama rehetra izy, ka tsy nasiany niangana ho an'i Jeroboama na dia olona iray akory aza, fa naringany avokoa ireo araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Ahia Silonita mpanompony,

30 noho ny fahotana nataon'i Jeroboama sady nampanotany ny Isiraely tamin'izay nataony nampahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.

31 Ary ny tantaran'i Nadaba sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?

32 Ary niady Asa sy Basa, mpanjakan'ny Isiraely, tamin'ny andro rehetra niainany.

33 Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Basa, zanak'i Ahia, tamin'ny Isiraely rehetra tao Tirza; ary mpanjaka efatra amby roa-polo taona izy.

34 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa nandeha tamin'ny lalan'i Jeroboama sy tamin'ny fahotany izay nampanotany ny Isiraely.


 

Chapitre 15

1 Now in the eighteenth year of king Jeroboam the son of Nebat began Abijam to reign over Judah.

2 He reigned three years in Jerusalem: and his mother’s name was Maacah the daughter of Abishalom.

3 He walked in all the sins of his father, which he had done before him; and his heart was not perfect with Yahweh his God, as the heart of David his father.

4 Nevertheless for David’s sake, Yahweh his God gave him a lamp in Jerusalem, to set up his son after him, and to establish Jerusalem;

5 because David did that which was right in the eyes of Yahweh, and didn’t turn aside from anything that he commanded him all the days of his life, except only in the matter of Uriah the Hittite.

6 And there was war between Rehoboam and Jeroboam all the days of his life.

7 The rest of the acts of Abijam, and all that he did, aren’t they written in the book of the chronicles of the kings of Judah? There was war between Abijam and Jeroboam.

8 Abijam slept with his fathers; and they buried him in the city of David: and Asa his son reigned in his place.

9 In the twentieth year of Jeroboam king of Israel began Asa to reign over Judah.

10 He reigned forty-one years in Jerusalem: and his mother’s name was Maacah the daughter of Abishalom.

11 Asa did that which was right in the eyes of Yahweh, as did David his father.

12 He put away the sodomites out of the land, and removed all the idols that his fathers had made.

13 Also Maacah his mother he removed from being queen, because she had made an abominable image for an Asherah; and Asa cut down her image, and burnt it at the brook Kidron.

14 But the high places were not taken away: nevertheless the heart of Asa was perfect with Yahweh all his days.

15 He brought into the house of Yahweh the things that his father had dedicated, and the things that himself had dedicated, silver, and gold, and vessels.

16 There was war between Asa and Baasha king of Israel all their days.

17 Baasha king of Israel went up against Judah, and built Ramah, that he might not allow anyone to go out or come in to Asa king of Judah.

18 Then Asa took all the silver and the gold that were left in the treasures of the house of Yahweh, and the treasures of the king’s house, and delivered them into the hand of his servants; and king Asa sent them to Ben Hadad, the son of Tabrimmon, the son of Hezion, king of Syria, who lived at Damascus, saying,

19 “There is a treaty between me and you, between my father and your father. Behold, I have sent to you a present of silver and gold. Go, break your treaty with Baasha king of Israel, that he may depart from me.”

20 Ben Hadad listened to king Asa, and sent the captains of his armies against the cities of Israel, and struck Ijon, and Dan, and Abel Beth Maacah, and all Chinneroth, with all the land of Naphtali.

21 It happened, when Baasha heard of it, that he left off building Ramah, and lived in Tirzah.

22 Then king Asa made a proclamation to all Judah; none was exempted: and they carried away the stones of Ramah, and its timber, with which Baasha had built; and king Asa built therewith Geba of Benjamin, and Mizpah.

23 Now the rest of all the acts of Asa, and all his might, and all that he did, and the cities which he built, aren’t they written in the book of the chronicles of the kings of Judah? But in the time of his old age he was diseased in his feet.

24 Asa slept with his fathers, and was buried with his fathers in the city of David his father; and Jehoshaphat his son reigned in his place.

25 Nadab the son of Jeroboam began to reign over Israel in the second year of Asa king of Judah; and he reigned over Israel two years.

26 He did that which was evil in the sight of Yahweh, and walked in the way of his father, and in his sin with which he made Israel to sin.

27 Baasha the son of Ahijah, of the house of Issachar, conspired against him; and Baasha struck him at Gibbethon, which belonged to the Philistines; for Nadab and all Israel were laying siege to Gibbethon.

28 Even in the third year of Asa king of Judah, Baasha killed him, and reigned in his place.

29 It happened that, as soon as he was king, he struck all the house of Jeroboam: he didn’t leave to Jeroboam any who breathed, until he had destroyed him; according to the saying of Yahweh, which he spoke by his servant Ahijah the Shilonite;

30 for the sins of Jeroboam which he sinned, and with which he made Israel to sin, because of his provocation with which he provoked Yahweh, the God of Israel, to anger.

31 Now the rest of the acts of Nadab, and all that he did, aren’t they written in the book of the chronicles of the kings of Israel?

32 There was war between Asa and Baasha king of Israel all their days.

33 In the third year of Asa king of Judah, Baasha the son of Ahijah began to reign over all Israel in Tirzah for twenty-four years.

34 He did that which was evil in the sight of Yahweh, and walked in the way of Jeroboam, and in his sin with which he made Israel to sin.


 

Chapitre 15
Le règne d'Abiyam sur Juda
1 La dix-huitième année du règne de Jéroboam, fils de Nebath, Abiyam devint roi de Juda.
2 Il régna trois ans à Jérusalem. Sa mère s'appelait Maaka, elle était une fille d'Abichalom.

3 Il se rendit coupable des mêmes péchés que son père avant lui, et son cœur ne fut pas entièrement attaché à l'Eternel son Dieu, comme celui de son ancêtre David.
4 Mais à cause de David, l'Eternel, son Dieu, lui accorda quand même un descendant à Jérusalem pour lui succéder, pour que sa dynastie ne s'éteigne pas, et pour que la ville subsiste[a].
5 En effet, David avait fait ce que l'Eternel considère comme juste et, durant toute sa vie, il n'avait jamais désobéi à rien de ce qui lui avait été ordonné, sauf dans l'affaire d'Urie le Hittite[b].

6 Il y eut la guerre entre Roboam et Jéroboam pendant toute la vie de Roboam.

7 Les autres faits et gestes d'Abiyam et toutes ses réalisations sont cités dans le livre des Annales des rois de Juda. Lui aussi fut en guerre contre Jéroboam.
8 Quand il rejoignit ses ancêtres décédés, on l'enterra dans la cité de David et son fils Asa lui succéda sur le trône.
Le règne d'Asa sur Juda
9 La vingtième année du règne de Jéroboam, roi d'Israël, Asa devint roi de Juda[c].
10 Il régna quarante et un ans à Jérusalem. Il descendait d'Abichalom par sa grand-mère Maaka[d].

11 Asa fit ce que l'Eternel considère comme juste, comme son ancêtre David.
12 Il expulsa du pays les gens qui se livraient à la *prostitution sacrée et il fit disparaître toutes les idoles que ses ancêtres avaient fabriquées.
13 Il destitua même sa grand-mère Maaka de son rang de reine-mère parce qu'elle avait fait dresser une idole obscène à la déesse *Achéra. Asa abattit cette idole et la fit brûler dans le ravin du Cédron.
14 Cependant, bien qu'Asa ait eu un cœur attaché sans partage à l'Eternel durant toute sa vie, les *hauts-lieux ne disparurent pas.
15 Il déposa dans le Temple de l'Eternel tous les objets d'argent et d'or et d'autres ustensiles que son père avait consacrés, en y ajoutant ceux que lui-même consacra.

16 Il y eut la guerre entre Asa et Baécha, roi d'Israël, pendant toute leur vie.
17 Baécha, roi d'Israël, vint attaquer le royaume de Juda. Il fortifia Rama[e], pour empêcher qu'on pénètre sur le territoire d'Asa, roi de Juda[f], et qu'on en sorte.
18 Alors Asa prit tout l'argent et l'or qui étaient restés dans le trésor du Temple de l'Eternel[g] et les richesses du palais royal, et il les remit à ses ministres pour les faire porter à Ben-Hadad, fils de Tabrimmôn et petit-fils de Hézyiôn, roi de Syrie qui résidait à Damas. Il les accompagna du message suivant:
19 «Faisons une alliance comme il y en a eu une entre nos pères respectifs. Voici que je t'envoie de l'argent et de l'or en cadeau. Je te demande, en échange, de rompre ton alliance avec Baécha, roi d'Israël, afin qu'il cesse de me faire la guerre.»
20 Ben-Hadad accepta la proposition du roi Asa; il envoya ses chefs militaires attaquer les villes d'Israël et il frappa les villes d'Iyôn, de Dan et d'Abel-Beth-Maaka, ainsi que toute la région de Kinneroth et le territoire de Nephtali[h].
21 Lorsque Baécha apprit cette nouvelle, il renonça à fortifier Rama, et se retira à Tirtsa.
22 Alors le roi Asa mobilisa tous les Judéens sans exception pour enlever les pierres et le bois que Baécha avait rassemblés pour fortifier Rama, et il s'en servit pour fortifier la ville de Guéba sur le territoire de Benjamin ainsi que celle de Mitspa[i].

23 Les autres faits et gestes d'Asa, sa bravoure, ses réalisations et les villes qu'il a fait bâtir, sont cités dans le livre des Annales des rois de Juda. Dans ses vieux jours, il eut une maladie des pieds.
24 Quand il rejoignit ses ancêtres décédés, il fut enterré auprès d'eux dans la cité de David. Son fils Josaphat lui succéda sur le trône[j].
Le règne de Nadab sur Israël et la fin de la dynastie de Jéroboam
25 Nadab, fils de Jéroboam, devint roi d'Israël la deuxième année du règne d'Asa, roi de Juda. Il régna deux ans sur Israël[k].
26 Il fit ce que l'Eternel considère comme mal en imitant l'exemple de son père et en entraînant son peuple dans le même péché.
27 Alors Baécha, fils d'Ahiya, de la tribu d'Issacar, conspira contre lui et l'assassina devant Guibbetôn, une ville des Philistins[l], au moment où Nadab et l'armée d'Israël l'assiégeaient.
28 Baécha commit ce meurtre la troisième année du règne d'Asa, roi de Juda, et il le supplanta sur le trône.

29 Quand il fut roi, il fit périr tous les membres de la famille de Jéroboam. Il n'y laissa subsister personne, massacrant tout le monde, comme l'Eternel l'avait prédit par l'intermédiaire de son serviteur Ahiya de Silo[m],
30 à cause des péchés que Jéroboam avait commis et de ceux qu'il avait fait commettre au peuple d'Israël, ce qui avait irrité l'Eternel, leur Dieu.

31 Les autres faits et gestes de Nadab et toutes ses réalisations sont cités dans le livre des Annales des rois d'Israël.
32 Asa et Baécha, roi d'Israël, furent, toute leur vie, en guerre l'un contre l'autre[n].
Le règne de Baécha sur Israël et le prophète Jéhu
33 La troisième année du règne d'Asa, roi de Juda, Baécha, fils d'Ahiya, devint roi de tout Israël à Tirtsa. Il régna vingt-quatre ans[o].
34 Il fit ce que l'Eternel considère comme mal en imitant l'exemple de Jéroboam et en entraînant Israël dans le même péché.