T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 13

1 [Ny nanirahan'Andriamanitra ilay mpaminany hananatra an'i Jeroboama noho ny nanaovany ireo sarin'ombilahy kely ireo, sy ny nanjo azy] Ary, indro, nisy lehilahin'Andriamanitra avy tany Joda tonga tany Betela noho ny tenin'i Jehovah, raha mbola nitsangana teo anilan'ny alitara handoro ditin-kazo manitra Jeroboama.

2 Ary ilay lehilahin'Andriamanitra niantso ny alitara araka ny tenin'i Jehovah ka nanao hoe: Ry alitara ô, ry alitara ô! izao no lazain'i Jehovah: Indro, hisy zaza hateraka ho an'ny taranak'i Davida, Josia no ho anarany; ary hovonoiny ka hateriny eo amboninao ny mpisorona amin'ny fitoerana avo izay mandoro ditin-kazo manitra eo amboninao, ary taolan'olona no hodorana eo amboninao.

3 Ary naneho fahagagana androtrizay izy nanao hoe: Izao no fahagagana izay nolazain'i Jehovah: Indro, hitresaka ny alitara, ka hikorotsaka ny lavenona izay eo amboniny.

4 Ary nony ren'i Jeroboama mpanjaka ny tenin'ny lehilahin'Andriamanitra izay niantso ny alitara tao Betela, dia naninjitra ny tànany niala tamin'ny alitara izy ka nanao hoe: Hazony ilehio. Dia maty* iny tànany nahinjiny nanondro azy iny ka tsy azony noketrahina intsony. [Heb. maina]

5 Dia nitresaka koa ny alitara, ka nikorotsaka ny lavenona teo amboniny, araka ny fahagagana Izay nasehon'ilay lehilahin'Andriamanitra noho ny tenin'i Jehovah.

6 Ary ny mpanjaka namaly ilay lehilahin' Andriamanitra nanao hoe: Mba ifony amin'i Jehovah Andriamanitrao aho, ka mivavaha ho ahy, mba ho azoko ketrahina indray ny tanako. Ary ilay lehilahin'Andriamanitra dia nifona tamin'i Jehovah, ka dia azon'ny mpanjaka noketrahina indray ny tànany ka tonga tahaka ny teo.

7 Ary hoy ny mpanjaka tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra: Andeha hiaraka amiko ho any an-trano ianao mba hanao ody am-bavafo kely, sady homeko zavatra ianao.

8 Fa hoy ilay lehilahin'Andriamanitra tamin'ny mpanjaka: Na dia homenao ahy aza ny antsasaky ny ao an-tranonao, tsy hiditra any an-tranonao, na hihinan-kanina, na hisotro rano atỳ aho;

9 fa izao no tenin'i Jehovah nandrara ahy: Aza mihinan-kanina, na misotro rano, na miverina amin'izay lalana efa nalehanao.

10 Dia nandeha tamin'ny lalana hafa izy, fa tsy niverina tamin'ilay nalehany ho any Betela.

11 Fa nisy mpaminany antitra anankiray tao Betela; ary tonga ny zanany ka nilaza taminy izay rehetra nataon'ilay lehilahin'Andriamanitra androtr'iny tao Betela; ary nolazain'ireo tamin-drainy koa ny teny izay nolazain-dralehilahy tamin'ny mpanjaka.

12 Ary hoy rainy taminy: Aiza no lalana nalehany ? Fa ny zanany efa nahita ny lalana nalehan'ilay lehilahin'Andriamanitra izay tonga avy tany Joda.

13 Ary hoy izy tamin'ny zanany: Asio lasely ny boriky hitaingenako. Dia nasiany lasely ny boriky hitaingenany, ka dia nitaingenany.

14 Ary dia nanaraka ilay lehilahin'Andriamanitra izy ka nahita azy nipetraka teo ambanin'ny hazo terebinta; ka hoy izy taminy: Hianao moa ilay lehilahin'Andriamanitra avy tany Joda ? Ary hoy izy: Eny, izaho no izy.

15 Dia hoy izy taminy: Andeha hiaraka amiko ho any an-tranoko mba hihinan-kanina.

16 Fa hoy kosa izy: Tsy mahazo miverina hiaraka aminao aho na hiditra any an-tranonao, ary tsy hihinan-kanina na hisotro rano aminao atỳ aho,

17 satria tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe: Aza mihinan-kanina, na misotro rano any, ary aza miverina amin'ny lalana efa nalehanao.

18 Fa hoy kosa izy taminy: Izaho koa mba mpaminany tahaka anao ihany; ary nisy anjely nilaza tamiko araka ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Ento miverina hiaraka aminao ho any an-tranonao izy hihinan-kanina sy hisotro rano. Kanjo laingany izany.

19 Dia niverina niaraka taminy izy ka nihinan-kanina sy nisotro rano tao an-tranony.

20 Ary raha mbola nipetraka teo amin'ny latabatra izy roa lahy, dia tonga tamin'ilay mpaminany nitondra azy niverina ny tenin'i Jehovah;

21 ary izy niteny mafy tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra avy tany Joda hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Satria nandà ny tenin'i Jehovah ianao ka tsy nitandrina ny didy izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao,

22 fa niverina nihinan-kanina sy nisotro rano tany amin'ny tany izay nandraran'i Jehovah anao hoe: Aza mihinan-kanina na misotro rano, dia tsy ho tonga any am-pasan-drazanao ny fatinao.

23 Ary rehefa avy nihinana sy nisotro izy, dia nasiany lasely ny boriky hitaingenan'ilay mpaminany naveriny.

24 Ary nony nandeha izy, dia nisy liona nifanena taminy teny andalana ka nahafaty azy; ary ny fatiny dia niampatra teo an-dalana, ary ny boriky nijanona teo anilany, ary ny liona koa nijanona teo anilan'ny faty.

25 Ary, indreo nisy olona nandalo ka nahita ny faty niampatra teo an-dalana sy ny liona nijanona teo anilan'ny faty, dia lasa nandeha ireo ka nilaza izany tany an-tanàna izay nitoeran'ilay mpaminany antitra.

26 Ary nony nandre izany ilay mpaminany izay namerina azy tany an-dalana, dia hoy izy: Ilay lehilahin'Andriamanitra nandà ny tenin'i Jehovah izay; fa natolotr'i Jehovah ny liona izy ka noviravirainy sy novonoiny araka ny tenin'i Jehovah, izay efa nolazainy taminy.

27 Ary izy niteny tamin'ny zananilahy hoe: Asio lasely ny boriky hitaingenako. Dia nasiany lasely izy.

28 Ary nony nandeha izy, dia nahita ny fatin-dralehilahy niampatra teo an-dalana, ary ny boriky sy ny liona samy nijanona teo anilan'ny faty; nefa ny liona tsy nihinana ny faty na namiravira ny boriky.

29 Ary nobetain'ilay mpaminany ny fatin'ilay lehilahin'Andriamanitra ka nasampiny tamin'ny boriky, dia nentiny niverina; ary tonga tao an-tanàna ilay mpaminany antitra mba hisaona sy handevina azy.

30 Ary ny fatin-dralehilahy naleviny tao am-pasany, dia nitomanian'ny olona hoe: Indrisy, ry rahalahiko!

31 Ary rehefa voaleviny ralehilahy, dia hoy izy tamin'ny zanany: Rehefa maty aho, dia mba aleveno ao amin'ny fasana izay ilevenan'ilay lehilahin'Andriamanitra, ka ataovy eo anilan'ny taolany ny taolako;

32 fa tsy maintsy ho tanteraka ilay teny nantsoiny noho ny tenin'i Jehovah nilaza ny loza ho tonga amin'ny alitara ao Betela sy amin'ny trano rehetra eny amin'ny fitoerana avo izay any an-tanànan'i Samaria.

33 Rehefa afaka izany, Jeroboama dia tsy mbola niala tamin'ny lalan-dratsiny ihany, fa mbola naka tamin'ny ankabiazam-bahoaka ho mpisorona amin'ny fitoerana avo; koa na iza na iza tia izany dia natokany*, mba ho tonga mpisorona amin'ny fitoerana avo. [Heb. nofenoiny ny tànany]

34 Ary dia tonga fahotan'ny taranak'i Jeroboama izany ka namongorana sy nandringanana azy tsy ho eo ambonin'ny tany.


Chapitre 13

1 Behold, there came a man of God out of Judah by the word of Yahweh to Beth El: and Jeroboam was standing by the altar to burn incense.

2 He cried against the altar by the word of Yahweh, and said, “Altar, altar, thus says Yahweh: ‘Behold, a son shall be born to the house of David, Josiah by name. On you he shall sacrifice the priests of the high places who burn incense on you, and they will burn men’s bones on you.’”

3 He gave a sign the same day, saying, “This is the sign which Yahweh has spoken: Behold, the altar will be split apart, and the ashes that are on it will be poured out.”

4 It happened, when the king heard the saying of the man of God, which he cried against the altar in Bethel, that Jeroboam put out his hand from the altar, saying, “Seize him!” His hand, which he put out against him, dried up, so that he could not draw it back again to himself.

5 The altar also was split apart, and the ashes poured out from the altar, according to the sign which the man of God had given by the word of Yahweh.

6 The king answered the man of God, “Now entreat the favor of Yahweh your God, and pray for me, that my hand may be restored me again.”

The man of God entreated Yahweh, and the king’s hand was restored him again, and became as it was before.

7 The king said to the man of God, “Come home with me, and refresh yourself, and I will give you a reward.”

8 The man of God said to the king, “Even if you gave me half of your house, I would not go in with you, neither would I eat bread nor drink water in this place;

9 for so was it commanded me by the word of Yahweh, saying, ‘You shall eat no bread, nor drink water, neither return by the way that you came.’”

10 So he went another way, and didn’t return by the way that he came to Bethel.

11 Now there lived an old prophet in Bethel; and one of his sons came and told him all the works that the man of God had done that day in Bethel. They also told their father the words which he had spoken to the king.

12 Their father said to them, “Which way did he go?” Now his sons had seen which way the man of God went, who came from Judah.

13 He said to his sons, “Saddle the donkey for me.” So they saddled the donkey for him; and he rode on it.

14 He went after the man of God, and found him sitting under an oak. He said to him, “Are you the man of God who came from Judah?”

He said, “I am.”

15 Then he said to him, “Come home with me, and eat bread.”

16 He said, “I may not return with you, nor go in with you; neither will I eat bread nor drink water with you in this place.

17 For it was said to me by the word of Yahweh, ‘You shall eat no bread nor drink water there, nor turn again to go by the way that you came.’”

18 He said to him, “I also am a prophet as you are; and an angel spoke to me by the word of Yahweh, saying, ‘Bring him back with you into your house, that he may eat bread and drink water.’” He lied to him.

19 So he went back with him, and ate bread in his house, and drank water.

20 It happened, as they sat at the table, that the word of Yahweh came to the prophet who brought him back;

21 and he cried to the man of God who came from Judah, saying, “Thus says Yahweh, ‘Because you have been disobedient to the mouth of Yahweh, and have not kept the commandment which Yahweh your God commanded you,

22 but came back, and have eaten bread and drunk water in the place of which he said to you, “Eat no bread, and drink no water”; your body shall not come to the tomb of your fathers.’”

23 It happened, after he had eaten bread, and after he had drunk, that he saddled the donkey for the prophet whom he had brought back.

24 When he had gone, a lion met him by the way, and killed him. His body was cast in the way, and the donkey stood by it. The lion also stood by the body.

25 Behold, men passed by, and saw the body cast in the way, and the lion standing by the body; and they came and told it in the city where the old prophet lived.

26 When the prophet who brought him back from the way heard of it, he said, “It is the man of God who was disobedient to the mouth of Yahweh. Therefore Yahweh has delivered him to the lion, which has mauled him and slain him, according to the word of Yahweh, which he spoke to him.”

27 He spoke to his sons, saying, “Saddle the donkey for me.” They saddled it.

28 He went and found his body cast in the way, and the donkey and the lion standing by the body. The lion had not eaten the body, nor mauled the donkey.

29 The prophet took up the body of the man of God, and laid it on the donkey, and brought it back. He came to the city of the old prophet to mourn, and to bury him.

30 He laid his body in his own grave; and they mourned over him, saying, “Alas, my brother!”

31 It happened, after he had buried him, that he spoke to his sons, saying, “When I am dead, then bury me in the tomb in which the man of God is buried. Lay my bones beside his bones.

32 For the saying which he cried by the word of Yahweh against the altar in Bethel, and against all the houses of the high places which are in the cities of Samaria, will surely happen.”

33 After this thing Jeroboam didn’t return from his evil way, but again made priests of the high places from among all the people. Whoever wanted to, he consecrated him, that there might be priests of the high places.

34 This thing became sin to the house of Jeroboam, even to cut it off, and to destroy it from off the surface of the earth.


Chapitre 13
1 Abram remonta d'Égypte vers le midi, lui, sa femme, et tout ce qui lui appartenait, et Lot avec lui.

2 Abram était très riche en troupeaux, en argent et en or.

3 Il dirigea ses marches du midi jusqu'à Béthel, jusqu'au lieu où était sa tente au commencement, entre Béthel et Aï,

4 au lieu où était l'autel qu'il avait fait précédemment. Et là, Abram invoqua le nom de l'Éternel.

5 Lot, qui voyageait avec Abram, avait aussi des brebis, des boeufs et des tentes.

6 Et la contrée était insuffisante pour qu'ils demeurassent ensemble, car leurs biens étaient si considérables qu'ils ne pouvaient demeurer ensemble.

7 Il y eut querelle entre les bergers des troupeaux d'Abram et les bergers des troupeaux de Lot. Les Cananéens et les Phérésiens habitaient alors dans le pays.

8 Abram dit à Lot: Qu'il n'y ait point, je te prie, de dispute entre moi et toi, ni entre mes bergers et tes bergers; car nous sommes frères.

9 Tout le pays n'est-il pas devant toi? Sépare-toi donc de moi: si tu vas à gauche, j'irai à droite; si tu vas à droite, j'irai à gauche.

10 Lot leva les yeux, et vit toute la plaine du Jourdain, qui était entièrement arrosée. Avant que l'Éternel eût détruit Sodome et Gomorrhe, c'était, jusqu'à Tsoar, comme un jardin de l'Éternel, comme le pays d'Égypte.

11 Lot choisit pour lui toute la plaine du Jourdain, et il s'avança vers l'orient. C'est ainsi qu'ils se séparèrent l'un de l'autre.

12 Abram habita dans le pays de Canaan; et Lot habita dans les villes de la plaine, et dressa ses tentes jusqu'à Sodome.

13 Les gens de Sodome étaient méchants, et de grands pécheurs contre l'Éternel.

14 L'Éternel dit à Abram, après que Lot se fut séparé de lui: Lève les yeux, et, du lieu où tu es, regarde vers le nord et le midi, vers l'orient et l'occident;

15 car tout le pays que tu vois, je le donnerai à toi et à ta postérité pour toujours.

16 Je rendrai ta postérité comme la poussière de la terre, en sorte que, si quelqu'un peut compter la poussière de la terre, ta postérité aussi sera comptée.

17 Lève-toi, parcours le pays dans sa longueur et dans sa largeur; car je te le donnerai.

18 Abram leva ses tentes, et vint habiter parmi les chênes de Mamré, qui sont près d'Hébron. Et il bâtit là un autel à l'Éternel.