T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 12

1 [Ny niodinan'ny firenena folo, sy ny niandohan'ny fanjahan'Isiraely] Ary Rehoboama nankany Sekema, fa tany no efa nalehan'ny Isiraely rehetra hampanjaka azy.

2 Koa raha nandre izany Jeroboama, zanak'i Nebata (fa izy mbola tany Egypta, izay nalehany tamin'izy nandositra niala teo anatrehan'i Solomona mpanjaka;

3 ka dia naniraka naka azy ny olona), dia tonga izy sy ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka niteny tamin-dRehoboama hoe:

4 Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay, fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano ny fanompoana mafy tamin-drainao sy ny zioga mavesatra izay nataony taminay, dia hanompo anao izahay.

5 Fa hoy kosa izy taminy: Mandehana aloha, ka raha afaka hateloana, dia mankanesa atỳ amiko indray. Dia lasa ny olona.

6 Ary Rehoboama mpanjaka naka hevitra tamin'ny zoki-olona izay nitoetra teo anatrehan'i Solomona rainy fony fahavelony ka nanao hoe: Ahoana no hevitra omenareo havaly ny vahoaka?

7 Dia hoy ireo taminy: Raha mety ho mpanompon'ny vahoaka ianao izao ka hanompo azy sy hanao teny mora aminy, dia ho mpanomponao mandrakizay izy.

8 Nefa nolavin-dRehoboama ny hevitra nomen'ireo zoki-olona azy, dia naka hevitra tamin'ny tovolahy izay indray nihira taminy sady efa nitoetra teo anatrehany izy

9 ka nanao taminy hoe: Ahoana kosa no mba hevitra omenareo havalintsika ny vahoaka izay efa niteny tamiko hoe: Hamaivano ny zioga izay nataon-drainao taminay

10 Ary ireo tovolahy indray nihira taminy nanao taminy hoe: Izao no lazao amin'ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano aminay izany, izao no lazao aminy: Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny valahan'ny raiko;

11 koa raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa dia mainka hanampy ny zioga ho entinareo; kotopia no namaizan'ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.

12 Ary Jeroboama sy ny vahoaka rehetra nankany amin-dRehoboama tamin'ny andro fahatelo, araka ilay nolazain'ny mpanjaka hoe: Mankanesa atỳ amiko indray amin'ny andro fahatelo.

13 Ary ny mpanjaka nanao teny mafy tamin'ny olona, fa nandà ny saina nomen'ireo zoki-olona azy izy

14 ka niteny taminy araka ny hevitra nomen'ireo tovolahy hoe: Ny raiko dia nampitondra zioga mavesatra anareo, fa izaho kosa mainka hanampy ny zioga ho entinareo, kotopia no namazain'ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.

15 Koa dia tsy nihaino ny olona ny mpanjaka; fa avy tamin'i Jehovah izany zavatra izany hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an'i Ahia Silonita tamin'i Jeroboama, zanak'i Nebata.

16 Ary nony hitan'ny Isiraely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia namaly ny mpanjaka ny vahoaka ka nanao hoe: Inona moa no anjaranay amin'i Davida? Tsy manana lova amin'ny zanak'i Jese izahay; samia mody any an-dainy avy, ry Isiraely e; ankehitriny tandremo ny taranakao, ry Davida ô. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Isiraely.

17 Fa ny Zanak'Isiraely izay nonina tany an-tanànan'ny Joda ihany no nanjakan-dRehoboama .

18 Ary dia naniraka an'i Adorama, komandin'ny mpanao fanompoana, Rehoboama mpanjaka, nefa ny Isiraely rehetra nitora-bato azy, ka maty izy. Dia niezaka faingana nankeo amin'ny kalesiny Rehoboama mpanjaka handositra ho any Jerosalema.

19 Ka dia niodina tamin'ny taranak'i Davida ny Isiraely mandraka androany.

 

20 Ary rehefa ren'ny Isiraely rehetra fa efa tafaverina indray Jeroboama, dia naniraka naka azy ho ao amin'ny fivoriana izy ka nampanjaka azy tamin'ny Isiraely rehetra; dia tsy nisy nanaraka ny taranak'i Davida afa-tsy ny firenen'i Joda ihany.

 

21 Ary nony tonga tany Jerosalema Rehoboama, dia novoriny ny taranak'i Joda rehetra mbamin'ny firenen'i Benjamina, dia miaramila valo alina amby iray hetsy voafantina, hiady amin'ny taranak'Isiraely hampody ny fanjakana indray ho an-dRehoboama, zanak'i Solomona.

22 Kanjo tonga tamin'i Semaia, lehilahin'Andriamanitra, kosa ny tenin'Andriamanitra nanao hoe

23 Mitenena amin-dRehoboama, zanak'i Solomona, mpanjakan'ny Joda, sy amin'ny taranak'i Joda sy Benjamina rehetra ary amin'ny vahoaka sisa hoe:

24 Izao no lazain'i Jehovah: Aza mandeha hiady amin'ny Zanak'Isiraely rahalahinareo; fa samia mody any an-tranony avy ianareo, fa avy amiko izao zavatra izao. Dia nihaino ny tenin'i Jehovah ny olona, ka dia samy lasa nody araka ny tenin'i Jehovah.

*

25 [Ny nanaovan'i Jeroboama ireo sarin'ombilahy kely volamena tao Betela sy Dana] Ary Jeroboama dia nanamboatra an'i Sekema any amin'ny tany havoan'i Efraima ka nonina tao; ary raha avy tao izy, dia nanamboatra an'i Pehoela koa.

 

26 Ary Jeroboama nanao anakampo hoe: Izao ny fanjakana dia hody amin'ny taranak'i Davida ihany;

27 fa raha miakatra hamono zavatra hatao fanatitra ao amin'ny tranon'i Jehovah any Jerosalema ny vahoaka, dia hody amin'ny tompony indray ny fony dia amin-dRehoboama, mpanjakan'ny Joda, ary dia hamono ahy izy ka hiverina any amin-dRehoboama, mpanjakan'ny Joda, indray.

28 Dia nihevitra ny mpanjaka ka nanao ombilahy kely volamena roa; ary hoy izy tamin'ny olona: "Aoka izay ny fiakaranareo any Jerosalema! Ry Isiraely ô" indreo ny andriamanitrao, izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta.

29 Ary ny anankiray dia napetrany tao Betela, fa ny anankiray kosa dia tao Dana.

30 Ary izany zavatra izany dia tonga fahotana; fa ny olona dia nandeha hivavaha teo anatrehan'ny anankiray amin'ireo hatrany Dana.

31 Ary nanao trano teny amin'ny fitoerana avo izy sady nanendry olona hafa ho mpisorona, izay tsy isan'ny taranak'i Levy.

32 Ary Jeroboama, nanendry andro firavoravoana tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahavalo, tahaka ny andro firavoravoana tamin'ny Joda ihany, ka nanatitra fanatitra teo ambonin'ny alitara izy. Toy izany no nataony tao Betela, fa namono zavatra hatao fanatitra ho an'ireo ombilahy kely izay nataony izy; ary nampitoeriny tao Betela ireo mpisorona amin'ny fitoerana avo izay notendreny.

33 Ary nanatitra fanatitra teo ambonin'ny alitara izay nataony tao Betela izy tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahavalo, volana izay notendreny araka ny sitrapony ihany; ary nanao andro firavoravoana ho an'ny Zanak'Isiraely izy sady nanatitra fanatitra teo ambonin'ny alitara sy nandoro ditin-kazo manitra.


 

Chapitre 12

1 Rehoboam went to Shechem: for all Israel had come to Shechem to make him king.

2 It happened, when Jeroboam the son of Nebat heard of it (for he was yet in Egypt, where he had fled from the presence of king Solomon, and Jeroboam lived in Egypt,

3 and they sent and called him), that Jeroboam and all the assembly of Israel came, and spoke to Rehoboam, saying,

4 “Your father made our yoke grievous: now therefore make you the grievous service of your father, and his heavy yoke which he put on us, lighter, and we will serve you.”

5 He said to them, “Depart for three days, then come back to me.”

The people departed.

6 King Rehoboam took counsel with the old men, who had stood before Solomon his father while he yet lived, saying, “What counsel do you give me to return answer to this people?”

7 They spoke to him, saying, “If you will be a servant to this people this day, and will serve them, and answer them, and speak good words to them, then they will be your servants forever.”

8 But he forsook the counsel of the old men which they had given him, and took counsel with the young men who had grown up with him, who stood before him.

9 He said to them, “What counsel do you give, that we may return answer to this people, who have spoken to me, saying, ‘Make the yoke that your father put on us lighter?’”

10 The young men who had grown up with him spoke to him, saying, “Thus you shall tell this people who spoke to you, saying, ‘Your father made our yoke heavy, but make it lighter to us;’ you shall say to them, ‘My little finger is thicker than my father’s waist.

11 Now whereas my father burdened you with a heavy yoke, I will add to your yoke: my father chastised you with whips, but I will chastise you with scorpions.’”

12 So Jeroboam and all the people came to Rehoboam the third day, as the king asked, saying, “Come to me again the third day.”

13 The king answered the people roughly, and forsook the counsel of the old men which they had given him,

14 and spoke to them according to the counsel of the young men, saying, “My father made your yoke heavy, but I will add to your yoke. My father chastised you with whips, but I will chastise you with scorpions.”

15 So the king didn’t listen to the people; for it was a thing brought about of Yahweh, that he might establish his word, which Yahweh spoke by Ahijah the Shilonite to Jeroboam the son of Nebat.

16 When all Israel saw that the king didn’t listen to them, the people answered the king, saying, “What portion have we in David? Neither do we have an inheritance in the son of Jesse. To your tents, Israel! Now see to your own house, David.” So Israel departed to their tents.

17 But as for the children of Israel who lived in the cities of Judah, Rehoboam reigned over them.

18 Then king Rehoboam sent Adoram, who was over the men subject to forced labor; and all Israel stoned him to death with stones. King Rehoboam made speed to get him up to his chariot, to flee to Jerusalem.

19 So Israel rebelled against the house of David to this day.

20 It happened, when all Israel heard that Jeroboam was returned, that they sent and called him to the congregation, and made him king over all Israel: there was none who followed the house of David, but the tribe of Judah only.

21 When Rehoboam had come to Jerusalem, he assembled all the house of Judah, and the tribe of Benjamin, a hundred and eighty thousand chosen men, who were warriors, to fight against the house of Israel, to bring the kingdom again to Rehoboam the son of Solomon.

22 But the word of God came to Shemaiah the man of God, saying,

23 “Speak to Rehoboam the son of Solomon, king of Judah, and to all the house of Judah and Benjamin, and to the rest of the people, saying,

24 ‘Thus says Yahweh, “You shall not go up, nor fight against your brothers, the children of Israel. Everyone return to his house; for this thing is of me.”’” So they listened to the word of Yahweh, and returned and went their way, according to the word of Yahweh.

25 Then Jeroboam built Shechem in the hill country of Ephraim, and lived in it; and he went out from there, and built Penuel.

26 Jeroboam said in his heart, “Now the kingdom will return to the house of David.

27 If this people goes up to offer sacrifices in the house of Yahweh at Jerusalem, then the heart of this people will turn again to their lord, even to Rehoboam king of Judah; and they will kill me, and return to Rehoboam king of Judah.”

28 Whereupon the king took counsel, and made two calves of gold; and he said to them, “It is too much for you to go up to Jerusalem. Look and see your gods, Israel, which brought you up out of the land of Egypt!”

29 He set the one in Bethel, and the other put he in Dan.

30 This thing became a sin; for the people went to worship before the one, even to Dan.

31 He made houses of high places, and made priests from among all the people, who were not of the sons of Levi.

32 Jeroboam ordained a feast in the eighth month, on the fifteenth day of the month, like the feast that is in Judah, and he went up to the altar; he did so in Bethel, sacrificing to the calves that he had made: and he placed in Bethel the priests of the high places that he had made.

33 He went up to the altar which he had made in Bethel on the fifteenth day in the eighth month, even in the month which he had devised of his own heart: and he ordained a feast for the children of Israel, and went up to the altar, to burn incense.


 

Chapitre 12
1 Roboam se rendit à Sichem, car tout Israël était venu à Sichem pour le faire roi.

2 Lorsque Jéroboam, fils de Nebath, eut des nouvelles, il était encore en Égypte, où il s'était enfui loin du roi Salomon, et c'était en Égypte qu'il demeurait.

3 On l'envoya appeler. Alors Jéroboam et toute l'assemblée d'Israël vinrent à Roboam et lui parlèrent ainsi:

4 Ton père a rendu notre joug dur; toi maintenant, allège cette rude servitude et le joug pesant que nous a imposé ton père. Et nous te servirons.

 5 Il leur dit: Allez, et revenez vers moi dans trois jours. Et le peuple s'en alla.

6 Le roi Roboam consulta les vieillards qui avaient été auprès de Salomon, son père, pendant sa vie, et il dit: Que conseillez-vous de répondre à ce peuple? 7 Et voici ce qu'ils lui dirent: Si aujourd'hui tu rends service à ce peuple, si tu leur cèdes, et si tu leur réponds par des paroles bienveillantes, ils seront pour toujours tes serviteurs.

8 Mais Roboam laissa le conseil que lui donnaient les vieillards, et il consulta les jeunes gens qui avaient grandi avec lui et qui l'entouraient.

9 Il leur dit: Que conseillez-vous de répondre à ce peuple qui me tient ce langage: Allège le joug que nous a imposé ton père?

10 Et voici ce que lui dirent les jeunes gens qui avaient grandi avec lui: Tu parleras ainsi à ce peuple qui t'a tenu ce langage: Ton père a rendu notre joug pesant, et toi, allège-le-nous! tu leur parleras ainsi: Mon petit doigt est plus gros que les reins de mon père.

11 Maintenant, mon père vous a chargés d'un joug pesant, et moi je vous le rendrai plus pesant; mon père vous a châtiés avec des fouets, et moi je vous châtierai avec des scorpions.

12 Jéroboam et tout le peuple vinrent à Roboam le troisième jour, suivant ce qu'avait dit le roi: Revenez vers moi dans trois jours.

13 Le roi répondit durement au peuple. Il laissa le conseil que lui avaient donné les vieillards, 14 et il leur parla ainsi d'après le conseil des jeunes gens: Mon père a rendu votre joug pesant, et moi je vous le rendrai plus pesant; mon père vous a châtiés avec des fouets, et moi je vous châtierai avec des scorpions.

15 Ainsi le roi n'écouta point le peuple; car cela fut dirigé par l'Éternel, en vue de l'accomplissement de la parole que l'Éternel avait dite par Achija de Silo à Jéroboam, fils de Nebath.

16 Lorsque tout Israël vit que le roi ne l'écoutait pas, le peuple répondit au roi: Quelle part avons-nous avec David? Nous n'avons point d'héritage avec le fils d'Isaï! A tes tentes, Israël! Maintenant, pourvois à ta maison, David! Et Israël s'en alla dans ses tentes.

17 Les enfants d'Israël qui habitaient les villes de Juda furent les seuls sur qui régna Roboam.

18 Alors le roi Roboam envoya Adoram, qui était préposé aux impôts. Mais Adoram fut lapidé par tout Israël, et il mourut. Et le roi Roboam se hâta de monter sur un char, pour s'enfuir à Jérusalem.

19 C'est ainsi qu'Israël s'est détaché de la maison de David jusqu'à ce jour.

20 Tout Israël ayant appris que Jéroboam était de retour, ils l'envoyèrent appeler dans l'assemblée, et ils le firent roi sur tout Israël. La tribu de Juda fut la seule qui suivit la maison de David.

21 Roboam, arrivé à Jérusalem, rassembla toute la maison de Juda et la tribu de Benjamin, cent quatre-vingt mille hommes d'élite propres à la guerre, pour qu'ils combattissent contre la maison d'Israël afin de la ramener sous la domination de Roboam, fils de Salomon.

22 Mais la parole de Dieu fut ainsi adressée à Schemaeja, homme de Dieu:

23 Parle à Roboam, fils de Salomon, roi de Juda, et à toute la maison de Juda et de Benjamin, et au reste du peuple. Et dis-leur:

24 Ainsi parle l'Éternel: Ne montez point, et ne faites pas la guerre à vos frères, les enfants d'Israël! Que chacun de vous retourne dans sa maison, car c'est de par moi que cette chose est arrivée. Ils obéirent à la parole de l'Éternel, et ils s'en retournèrent, selon la parole de l'Éternel.

 25 Jéroboam bâtit Sichem sur la montagne d'Éphraïm, et il y demeura; puis il en sortit, et bâtit Penuel.

26 Jéroboam dit en son coeur: Le royaume pourrait bien maintenant retourner à la maison de David.

27 Si ce peuple monte à Jérusalem pour faire des sacrifices dans la maison de l'Éternel, le coeur de ce peuple retournera à son seigneur, à Roboam, roi de Juda, et ils me tueront et retourneront à Roboam, roi de Juda.

28 Après s'être consulté, le roi fit deux veaux d'or, et il dit au peuple: Assez longtemps vous êtes montés à Jérusalem; Israël! voici ton Dieu, qui t'a fait sortir du pays d'Égypte.

29 Il plaça l'un de ces veaux à Béthel, et il mit l'autre à Dan. 30 Ce fut là une occasion de péché. Le peuple alla devant l'un des veaux jusqu'à Dan.

31 Jéroboam fit une maison de hauts lieux, et il créa des sacrificateurs pris parmi tout le peuple et n'appartenant point aux fils de Lévi.

32 Il établit une fête au huitième mois, le quinzième jour du mois, comme la fête qui se célébrait en Juda, et il offrit des sacrifices sur l'autel. Voici ce qu'il fit à Béthel afin que l'on sacrifiât aux veaux qu'il avait faits. Il plaça à Béthel les prêtres des hauts lieux qu'il avait élevés.

33 Et il monta sur l'autel qu'il avait fait à Béthel, le quinzième jour du huitième mois, mois qu'il avait choisi de son gré. Il fit une fête pour les enfants d'Israël, et il monta sur l'autel pour brûler des parfums.