T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

BAIBOLY AUDIO     TORITENY     Testamenta Vaovao     Testamenta Taloha     TENY SOA     HIRA     BAIBOLY MALAGASY     FOTOAM-BAVAKA     Vavaka     Rohy      
GENESISY
EKSODOSY
LEVITIKA
NOMERY
DETORONOMIA
MPITSARA
JOSOA
ROTA
1SAMOELA
2SAMOELA
1 MPANJAKA
2 MPANJAKA
1TANTARA
2TANTARA
EZRA
NEHEMIA
ESTERA
JOBA
SALAMO
OHABOLANA
MPITORITENY
TONONKIRA
ISAIA
JEREMIA
FITOMANIANA
EZEKIELA
DANIELA
HOSEA
JOELA
AMOSA
OBADIA
JONA
MIKA
NAHOMA
HABAKOKA
ZEFANIA
HAGAY
ZAKARIA
MALAKIA

Chapitre 1

1  Ary Davida mpanjaka dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana; ary norakofany lamba izy, fa tsy nety nafana.

2 Ka dia hoy ny mpanompony taminy: Aoka hitadiavana zazavavy virijina ny mpanjaka tompoko, dia aoka hitoetra eto anatrehan'ny mpanjaka izy mba ho mpitaiza azy, ary aoka handry eo amin'ny tratranao izy, ka dia hampahafana ny mpanjaka tompoko.

3 Ary dia nitady zazavavy tsara tarehy eran'ny tanin'ny Isiraely rehetra izy ka nahita an'i Abisaga Sonemita, dia nentiny tany amin'ny mpanjaka.

4 Ary tsara tarehy dia tsara tarehy razazavavy, dia tonga mpitaiza ny mpanjaka sady nanompo azy izy; nefa ny mpanjaka tsy nahalala azy.

5 Ary Adonia, zanakalahin'i Hagita, nanandratra ny tenany ka nanao hoe: Izaho no hanjaka; dia nanomana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary dimam-polo lahy ho mpihazakazaka eo alohany izy.

6 Ary ny rainy tsy mbola niteny mafy azy atory hatrizay niainany nanao hoe: Nahoana ianao no manao toy izao ? sady lehilahy tsara tarehy tokoa izy; ary izy no na tera-dreniny nanarakaraka an'i Absaloma.

7 Ary efa niresaka tamin'i Joaba, zanak'i Zeroia, sy Abiatara mpisorona izy; ka dia niandany tamin'i Adonia izy roa lahy ka nanampy azy.

8 Fa Zadoka mpisorona sy Benaia, zanak'i Joiada, sy Natana mpaminany sy Simey sy Rey ary ny lehilahy mahery izay an'i Davida kosa tsy mba niandany tamin'i Adonia.

9 Ary Adonia namono ondry aman'osy sy omby ary zanak'omby mifahy teo anilan'ny vato Zoheleta tanilan'i En-rogela ka nanasa ny rahalahiny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra sy ny lehilahy rehetra amin'ny Joda, mpanompon'ny mpanjaka;

10 fa Natana mpaminany sy Benaia sy ny lehilahy mahery ary Solomona rahalahiny no tsy mba nasainy.

11 Ary Natana niteny tamin'i Batseba, renin'i Solomona, hoe: Moa tsy renao va fa efa manjaka Adonia, zanak'i Hagita, nefa tsy fantatr'i Davida tompontsika akory izany?

12 Koa etsy homeko saina ianao hamonjenao ny ainao sy ny ain'i Solomona zanakao.

13 Mandehana mankany amin'i Davida mpanjaka, ka lazao aminy hoe: Tsy nianiana tamiko mpanompovavinao va ianao, ry mpanjaka tompoko, nanao hoe: Solomona zanakao-lahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako? Koa nahoana indray no Adonia no manjaka?

14 Ary raha mbola miteny amin'ny mpanjaka ianao, dia, indro, izaho koa hiditra manaraka anao ka hanamarina ny teninao.

15 Ary Batseba dia nankao amin'ny mpanjaka tao amin'ny efi-trano nitoerany; ary efa antitra ny mpanjaka; ary Abisaga Sonemita nanompo azy.

16 Dia niondrika Batseba ka niankohoka teo anatrehan'ny mpanjaka. Ary hoy ny mpanjaka: Inona no ilainao?

17 Dia hoy izy taminy: Tompokolahy ô, Jehovah Andriamanitrao no nianiananao tamiko mpanompovavinao hoe: Solomona zanakaolahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako.

18 Kanjo izao dia, indro, Adonia no manjaka; kanefa tsy fantatrao izany, ry mpanjaka tompoko.

19 Ary efa namono omby sy zanak'omby mifahy ary ondry aman'osy betsaka izy ka efa nanasa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra sy Abiatara mpisorona ary Joaba, komandin'ny miaramila; fa Solomona mpanomponao ihany no tsy mba nasainy.

20 Ary ianao, ry mpanjaka tompoko ô. ny mason'ny Isiraely rehetra manandratra anao hilazanao izay hipetraka eo amin'ny seza fiandriananao mpanjaka tompoko handimby anao.

21 Fa rehefa lasa modi-mandry any amin'ny razany ny mpanjaka tompoko, dia izaho sy Solomona zanako no atao meloka.

22 Ary raha mbola niteny tamin'ny mpanjaka ravehivavy, dia. indro, niditra koa Natana mpaminany.

23 Ary nisy nanambara amin'ny mpanjaka hoe: Indro Natana mpaminany. Dia niditra teo anatrehan'ny mpanjaka izy ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany.

24 Ary hoy Natana: Ry mpanjaka tompoko ô, fa angaha ianao efa niteny hoe: Adonia no hanjaka handimby ahy, ary izy no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako.

25 Fa he! izy nidina androany ary namono omby sy zanak'omby mifahy sy ondry aman'osy betsaka ka nanasa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra sy ny komandin'ny miaramila sy Abiatara mpisorona; ary indreo izy mihinana ny misotro eo anatrehany ka manao hoe: Ho ela velona anie Adonia mpanjaka!

26 Fa izaho mpanomponao sy Zadoka mpisorona sy Benaia, zanak'i Joiada, ary Solomona mpanomponao ihany no tsy mba nasainy.

27 Moa avy tamin'ny mpanjaka tompoko va no nahatonga izany zavatra izany, ka tsy mba nampahafantarinao ny mpanomponao izay hipetraka eo amin'ny seza fiandriananao mpanjaka tompoko handimby anao?

28 Ary namaly Davida mpanjaka ka nanao hoe: Antsoy hankatỳ amiko Batseba. Dia niditra nankeo anatrehan'ny mpanjaka izy ka nitsangana teo anatrehany

29 Ary ny mpanjaka nianiana hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay namonjy ny aiko tamin'ny fahoriana rehetra,

30 dia tahaka ilay nianianako tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sady nilazako taminao hoe: Solomona zanakaolahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako hisolo ahy, dia izany ihany no hataoko anio.

31 Ary Batseba niondrika, dia niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'ny mpanjaka ka nanao hoe: Ho velona mandrakizay anio Davida mpanjaka tompoko!

32 Ary hoy Davida mpanjaka: Antsoy hankatỳ amiko Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany ary Benaia, zanak'i Joiada. Dia niditra nankeo anatrehan'ny mpanjaka izy telo lahy.

33 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ento miaraka aminareo ny mpanompon'ny tomponareo, ary ampitaingeno ny ampondravaviko Solomona zanakolahy, ka ento midina any Gihona izy.

34 Ary aoka Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany hanosotra azy any ho mpanjakan'ny Isiraely; ary tsofinareo ny anjomara, ka lazao hoe: Ho ela velona anie Solomona mpanjaka!

35 Dia miakara manaraka azy ianareo, ary aoka izy hiditra ka hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako; fa izy no ho mpanjaka hisolo ahy. satria izy no voatendriko ho mpanapaka ny Isiraely sy ny Joda.

36 Ary Benaja, zanak'i Joiada, namaly ny mpanjaka hoe: Amena! Hiteny tahaka izany koa anie Jehovah, Andriamanitry ny mpanjaka tompoko.

37 Toy ny nomban'i Jehovah ny mpanjaka tompoko anie no mba hombany an'i Solomona koa, ary hataony be voninahitra mihoatra noho ny seza fiandrianan'i Davida mpanjaka tompoko anie ny seza fiandrianan'i Solomona.

38 Dia nidina Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany sy Renaia, zanak'i Joiada, ary ny miaramila mpiambina andriana*, dia nampitaingina an'i Solomona ny ampondravavin'i Davida mpanjaka izy, ka dia nitondra azy nankany Gihona

39 Ary Zadoka mpisorona naka ny tandroka misy diloilo tao amin'ny trano-lay ka nanosotra an'i Solomona. Ary notsofina ny anjomara, ka dia hoy ny vahoaka rehetra: Ho ela velona anie Solomona mpanjaka!

40 Dia niakatra nanaraka azy ny vahoaka rehetra ary nitsoka sodina sady nifaly dia nifaly, ka dia nihorohoro* ny tany noho ny feony.

41 Ary Adonia sy ireo olona rehetra izay nasaina teo aminy nandre izany, rehefa nitsahatra nihinana izy. Ka raha nahare ny feon'ny anjomara Joaba, dia hoy izy: Inona re izany hotakotaka mampitabataba ny tanàna izany e?

42 Fa raha mbola niteny izy, indro, tonga Jonatana, zanak'i Abiatara mpisorona; ary hoy Adonia taminy: Mandrosoa; fa lehilahy tsara fanahy ianao, ka ho teny tsara no entinao.

43 Fa Jonatana niteny ka nanao tamin'i Adonia hoe: Tsia, tsy izany tsy akory, fa Davida mpanjaka tompontsika efa nanangana an'i Solomona tokoa ho mpanjaka.

44 Ary ny mpanjaka efa naniraka an'i Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany sy Benaia, zanak'i Joiada, ary ny miaramila mpiambina andriana hiaraka aminy, ka nampitaingenin'ireo ny ampondravavin'ny mpanjaka izy.

45 Ary Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany efa nanosotra azy teo Gihona ho mpanjaka; ary niakatra avy teo. izy sady nifaly, ka dia nihorika terỳ ny tanàna. Izany no hotakotaka renareo.

46 Ary koa, Solomona izao dia efa mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakana.

47 Ary dia tonga koa ny mpanompon'ny mpanjaka hisaotra an'i Davida mpanjaka tompontsika hoe: Hataon' ndriamanitrao ho tsara noho ny anaranao anie ny anaran'i Solomona, ary hataony ho be voninahitra mihoatra noho ny seza fiandriananao anie ny seza fiandrianany! Dia niankohoka teo am-parafara ny mpanjaka

48 ka niteny hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely Izay nanome ny hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako androany, sady hitan'ny masoko koa izany.

49 Dia raiki-tahotra izay rehetra nasain'i Adonia ka niainga, ary samy lasa nandeha amin'izay nalehany avy izy rehetra.

50 Ary Adonia koa natahotra an'i Solomona, dia niainga ka lasa nangia ny tandroky ny alitara.

51 Ary nambara tamin'i Solomona hoe: Indro, Adonia matahotra an'i Solomona mpanjaka; koa indro izy efa mangia ny tandroky ny alitara ka manao hoe: Aoka Solomone mpanjaka hianiana amiko aloha fa tsy hamono ahy mpanompony amin'ny sabatra.

52 Fa hoy Solomona: Raha hita fa lehilahy tsara fanahy izy, dia tsy hisy na dia singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin'ny tany; fa raha misy heloka kosa ho hita aminy, dia ho faty ihany izy.

53 Dia naniraka Solomona mpanjaka nampidina azy hiala amin'ny alitara. Dia avy izy ka niankohoka teo anatrehan'i Solomona mpanjaka; ary dia hoy Solomona taminy: Modia any an-tranonao.

Chapitre 1

1 King David was old and stricken in years; and they covered him with clothes, but he couldn’t keep warm.

2 Therefore his servants said to him, “Let there be sought for my lord the king a young virgin. Let her stand before the king, and cherish him; and let her lie in your bosom, that my lord the king may keep warm.”

3 So they sought for a beautiful young lady throughout all the borders of Israel, and found Abishag the Shunammite, and brought her to the king.

4 The young lady was very beautiful; and she cherished the king, and ministered to him; but the king didn’t know her intimately.

5 Then Adonijah the son of Haggith exalted himself, saying, “I will be king.” Then he prepared him chariots and horsemen, and fifty men to run before him.

6 His father had not displeased him at any time in saying, “Why have you done so?” and he was also a very handsome man; and he was born after Absalom.

7 He conferred with Joab the son of Zeruiah, and with Abiathar the priest: and they following Adonijah helped him.

8 But Zadok the priest, and Benaiah the son of Jehoiada, and Nathan the prophet, and Shimei, and Rei, and the mighty men who belonged to David, were not with Adonijah.

9 Adonijah killed sheep and cattle and fatlings by the stone of Zoheleth, which is beside En Rogel; and he called all his brothers, the king’s sons, and all the men of Judah, the king’s servants:

10 but Nathan the prophet, and Benaiah, and the mighty men, and Solomon his brother, he didn’t call.

11 Then Nathan spoke to Bathsheba the mother of Solomon, saying, “Haven’t you heard that Adonijah the son of Haggith reigns, and David our lord doesn’t know it?

12 Now therefore come, please let me give you counsel, that you may save your own life, and the life of your son Solomon.

13 Go in to king David, and tell him, ‘Didn’t you, my lord, king, swear to your handmaid, saying, Assuredly Solomon your son shall reign after me, and he shall sit on my throne? Why then does Adonijah reign?’

14 Behold, while you yet talk there with the king, I also will come in after you, and confirm your words.”

15 Bathsheba went in to the king into the room. The king was very old; and Abishag the Shunammite was ministering to the king.

16 Bathsheba bowed, and showed respect to the king. The king said, “What would you like?”

17 She said to him, “My lord, you swore by Yahweh your God to your handmaid, ‘Assuredly Solomon your son shall reign after me, and he shall sit on my throne.’

18 Now, behold, Adonijah reigns; and you, my lord the king, don’t know it.

19 He has slain cattle and fatlings and sheep in abundance, and has called all the sons of the king, and Abiathar the priest, and Joab the captain of the army; but he hasn’t called Solomon your servant.

20 You, my lord the king, the eyes of all Israel are on you, that you should tell them who shall sit on the throne of my lord the king after him.

21 Otherwise it will happen, when my lord the king shall sleep with his fathers, that I and my son Solomon shall be counted offenders.”

22 Behold, while she yet talked with the king, Nathan the prophet came in.

23 They told the king, saying, “Behold, Nathan the prophet!”

When he had come in before the king, he bowed himself before the king with his face to the ground.

24 Nathan said, “My lord, king, have you said, ‘Adonijah shall reign after me, and he shall sit on my throne?’

25 For he is gone down this day, and has slain cattle and fatlings and sheep in abundance, and has called all the king’s sons, and the captains of the army, and Abiathar the priest. Behold, they are eating and drinking before him, and say, ‘Long live king Adonijah!’

26 But he hasn’t called me, even me your servant, and Zadok the priest, and Benaiah the son of Jehoiada, and your servant Solomon.

27 Is this thing done by my lord the king, and you haven’t shown to your servants who should sit on the throne of my lord the king after him?”

28 Then king David answered, “Call to me Bathsheba.” She came into the king’s presence, and stood before the king

29 The king swore, and said, “As Yahweh lives, who has redeemed my soul out of all adversity,

30 most certainly as I swore to you by Yahweh, the God of Israel, saying, ‘Assuredly Solomon your son shall reign after me, and he shall sit on my throne in my place;’ most certainly so will I do this day.”

31 Then Bathsheba bowed with her face to the earth, and showed respect to the king, and said, “Let my lord king David live forever!”

32 King David said, “Call to me Zadok the priest, Nathan the prophet, and Benaiah the son of Jehoiada.” They came before the king.

33 The king said to them, “Take with you the servants of your lord, and cause Solomon my son to ride on my own mule, and bring him down to Gihon.

34 Let Zadok the priest and Nathan the prophet anoint him there king over Israel. Blow the trumpet, and say, ‘Long live king Solomon!’

35 Then you shall come up after him, and he shall come and sit on my throne; for he shall be king in my place. I have appointed him to be prince over Israel and over Judah.”

36 Benaiah the son of Jehoiada answered the king, and said, “Amen. May Yahweh, the God of my lord the king, say so.

37 As Yahweh has been with my lord the king, even so may he be with Solomon, and make his throne greater than the throne of my lord king David.”

38 So Zadok the priest, and Nathan the prophet, and Benaiah the son of Jehoiada, and the Cherethites and the Pelethites, went down, and caused Solomon to ride on king David’s mule, and brought him to Gihon.

39 Zadok the priest took the horn of oil out of the Tent, and anointed Solomon. They blew the trumpet; and all the people said, “Long live king Solomon!”

40 All the people came up after him, and the people piped with pipes, and rejoiced with great joy, so that the earth shook with their sound.

41 Adonijah and all the guests who were with him heard it as they had made an end of eating. When Joab heard the sound of the trumpet, he said, “Why is this noise of the city being in an uproar?”

42 While he yet spoke, behold, Jonathan the son of Abiathar the priest came: and Adonijah said, “Come in; for you are a worthy man, and bring good news.”

43 Jonathan answered Adonijah, “Most certainly our lord king David has made Solomon king.

44 The king has sent with him Zadok the priest, Nathan the prophet, Benaiah the son of Jehoiada, and the Cherethites and the Pelethites; and they have caused him to ride on the king’s mule.

45 Zadok the priest and Nathan the prophet have anointed him king in Gihon. They have come up from there rejoicing, so that the city rang again. This is the noise that you have heard.

46 Also, Solomon sits on the throne of the kingdom.

47 Moreover the king’s servants came to bless our lord king David, saying, ‘May your God make the name of Solomon better than your name, and make his throne greater than your throne;’ and the king bowed himself on the bed.

48 Also thus said the king, ‘Blessed be Yahweh, the God of Israel, who has given one to sit on my throne this day, my eyes even seeing it.’”

49 All the guests of Adonijah were afraid, and rose up, and each man went his way.

50 Adonijah feared because of Solomon; and he arose, and went, and caught hold on the horns of the altar.

51 It was told Solomon, saying, “Behold, Adonijah fears king Solomon; for, behold, he has laid hold on the horns of the altar, saying, ‘Let king Solomon swear to me first that he will not kill his servant with the sword.’”

52 Solomon said, “If he shows himself a worthy man, not a hair of him shall fall to the earth; but if wickedness be found in him, he shall die.”

53 So king Solomon sent, and they brought him down from the altar. He came and bowed down to king Solomon; and Solomon said to him, “Go to

Chapitre 1 
1 Le roi David était vieux, avancé en âge; on le couvrait de vêtements, et il ne pouvait se réchauffer.

2 Ses serviteurs lui dirent: Que l'on cherche pour mon seigneur le roi une jeune fille vierge; qu'elle se tienne devant le roi, qu'elle le soigne, et qu'elle couche dans ton sein; et mon seigneur le roi se réchauffera.

3 On chercha dans tout le territoire d'Israël une fille jeune et belle, et on trouva Abischag, la Sunamite, que l'on conduisit auprès du roi.

4 Cette jeune fille était fort belle. Elle soigna le roi, et le servit; mais le roi ne la connut point.

5 Adonija, fils de Haggith, se laissa emporter par l'orgueil jusqu'à dire: C'est moi qui serai roi! Et il se procura un char et des cavaliers, et cinquante hommes qui couraient devant lui.

6 Son père ne lui avait de sa vie fait un reproche, en lui disant: Pourquoi agis-tu ainsi? Adonija était, en outre, très beau de figure, et il était né après Absalom.

7 Il eut un entretien avec Joab, fils de Tseruja, et avec le sacrificateur Abiathar; et ils embrassèrent son parti.

 

8 Mais le sacrificateur Tsadok, Benaja, fils de Jehojada, Nathan le prophète, Schimeï, Réï, et les vaillants hommes de David, ne furent point avec Adonija.

9 Adonija tua des brebis, des boeufs et des veaux gras, près de la pierre de Zohéleth, qui est à côté d'En-Roguel; et il invita tous ses frères, fils du roi, et tous les hommes de Juda au service du roi.

10 Mais il n'invita point Nathan le prophète, ni Benaja, ni les vaillants hommes, ni Salomon, son frère.

11 Alors Nathan dit à Bath-Schéba, mère de Salomon: N'as-tu pas appris qu'Adonija, fils de Haggith, est devenu roi, sans que notre seigneur David le sache?

12 Viens donc maintenant, je te donnerai un conseil, afin que tu sauves ta vie et la vie de ton fils Salomon.

13 Va, entre chez le roi David, et dis-lui: O roi mon seigneur, n'as-tu pas juré à ta servante, en disant: Salomon, ton fils, régnera après moi, et il s'assiéra sur mon trône? Pourquoi donc Adonija règne-t-il?  

14 Et voici, pendant que tu parleras là avec le roi, j'entrerai moi-même après toi, et je compléterai tes paroles.

15 Bath-Schéba se rendit dans la chambre du roi. Il était très vieux; et Abischag, la Sunamite, le servait.

16 Bath-Schéba s'inclina et se prosterna devant le roi. Et le roi dit: Qu'as-tu?

17 Elle lui répondit: Mon seigneur, tu as juré à ta servante par l'Éternel, ton Dieu, en disant: Salomon, ton fils, régnera après moi, et il s'assiéra sur mon trône.

18 Et maintenant voici, Adonija règne! Et tu ne le sais pas, ô roi mon seigneur!

19 Il a tué des boeufs, des veaux gras et des brebis en quantité; et il a invité tous les fils du roi, le sacrificateur Abiathar, et Joab, chef de l'armée, mais il n'a point invité Salomon, ton serviteur.

20 O roi mon seigneur, tout Israël a les yeux sur toi, pour que tu lui fasses connaître qui s'assiéra sur le trône du roi mon seigneur après lui.

21 Et lorsque le roi mon seigneur sera couché avec ses pères, il arrivera que moi et mon fils Salomon nous serons traités comme des coupables.

22 Tandis qu'elle parlait encore avec le roi, voici, Nathan le prophète arriva.

23 On l'annonça au roi, en disant: Voici Nathan le prophète! Il entra en présence du roi, et se prosterna devant le roi, le visage contre terre.

24 Et Nathan dit: O roi mon seigneur, c'est donc toi qui as dit: Adonija régnera après moi, et il s'assiéra sur mon trône!

25 Car il est descendu aujourd'hui, il a tué des boeufs, des veaux gras et des brebis en quantité; et il a invité tous les fils du roi, les chefs de l'armée, et le sacrificateur Abiathar. Et voici, ils mangent et boivent devant lui, et ils disent: Vive le roi Adonija!

26 Mais il n'a invité ni moi qui suis ton serviteur, ni le sacrificateur Tsadok, ni Benaja, fils de Jehojada, ni Salomon, ton serviteur.

27 Est-ce bien par ordre de mon seigneur le roi que cette chose a lieu, et sans que tu aies fait connaître à ton serviteur qui doit s'asseoir sur le trône du roi mon seigneur après lui?

28 Le roi David répondit: Appelez-moi Bath-Schéba. Elle entra, et se présenta devant le roi.

29 Et le roi jura, et dit: L'Éternel qui m'a délivré de toutes les détresses est vivant!

30 Ainsi que je te l'ai juré par l'Éternel, le Dieu d'Israël, en disant: Salomon, ton fils, régnera après moi, et il s'assiéra sur mon trône à ma place, -ainsi ferai-je aujourd'hui.

31 Bath-Schéba s'inclina le visage contre terre, et se prosterna devant le roi. Et elle dit: Vive à jamais mon seigneur le roi David!

32 Le roi David dit: Appelez-moi le sacrificateur Tsadok, Nathan le prophète, et Benaja, fils de Jehojada. Ils entrèrent en présence du roi.

33 Et le roi leur dit: Prenez avec vous les serviteurs de votre maître, faites monter Salomon, mon fils, sur ma mule, et faites-le descendre à Guihon.

34 Là, le sacrificateur Tsadok et Nathan le prophète l'oindront pour roi sur Israël. Vous sonnerez de la trompette, et vous direz: Vive le roi Salomon!

35 Vous monterez après lui; il viendra s'asseoir sur mon trône, et il régnera à ma place. C'est lui qui, par mon ordre, sera chef d'Israël et de Juda.

36 Benaja, fils de Jehojada, répondit au roi: Amen! Ainsi dise l'Éternel, le Dieu de mon seigneur le roi!

37 Que l'Éternel soit avec Salomon comme il a été avec mon seigneur le roi, et qu'il élève son trône au-dessus du trône de mon seigneur le roi David!

38 Alors le sacrificateur Tsadok descendit avec Nathan le prophète, Benaja, fils de Jehojada, les Kéréthiens et les Péléthiens; ils firent monter Salomon sur la mule du roi David, et ils le menèrent à Guihon.

39 Le sacrificateur Tsadok prit la corne d'huile dans la tente, et il oignit Salomon. On sonna de la trompette, et tout le peuple dit: Vive le roi Salomon!

40 Tout le peuple monta après lui, et le peuple jouait de la flûte et se livrait à une grande joie; la terre s'ébranlait par leurs cris.

41 Ce bruit fut entendu d'Adonija et de tous les conviés qui étaient avec lui, au moment où ils finissaient de manger. Joab, entendant le son de la trompette, dit: Pourquoi ce bruit de la ville en tumulte?

42 Il parlait encore lorsque Jonathan, fils du sacrificateur Abiathar, arriva. Et Adonija dit: Approche, car tu es un vaillant homme, et tu apportes de bonnes nouvelles.

43 Oui! répondit Jonathan à Adonija, notre seigneur le roi David a fait Salomon roi.

44 Il a envoyé avec lui le sacrificateur Tsadok, Nathan le prophète, Benaja, fils de Jehojada, les Kéréthiens et les Péléthiens, et ils l'ont fait monter sur la mule du roi.

45 Le sacrificateur Tsadok et Nathan le prophète l'ont oint pour roi à Guihon. De là ils sont remontés en se livrant à la joie, et la ville a été émue: c'est là le bruit que vous avez entendu.

46 Salomon s'est même assis sur le trône royal.

47 Et les serviteurs du roi sont venus pour bénir notre seigneur le roi David, en disant: Que ton Dieu rende le nom de Salomon plus célèbre que ton nom, et qu'il élève son trône au-dessus de ton trône! Et le roi s'est prosterné sur son lit.

48 Voici encore ce qu'a dit le roi: Béni soit l'Éternel, le Dieu d'Israël, qui m'a donné aujourd'hui un successeur sur mon trône, et qui m'a permis de le voir!

49 Tous les conviés d'Adonija furent saisis d'épouvante; ils se levèrent et s'en allèrent chacun de son côté.

50 Adonija eut peur de Salomon; il se leva aussi, s'en alla, et saisit les cornes de l'autel.

51 On vint dire à Salomon: Voici, Adonija a peur du roi Salomon, et il a saisi les cornes de l'autel, en disant: Que le roi Salomon me jure aujourd'hui qu'il ne fera point mourir son serviteur par l'épée!

52 Salomon dit: S'il se montre un honnête homme, il ne tombera pas à terre un de ses cheveux; mais s'il se trouve en lui de la méchanceté, il mourra.

53 Et le roi Salomon envoya des gens, qui le firent descendre de l'autel. Il vint se prosterner devant le roi Salomon, et Salomon lui dit: Va dans ta maison.