T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 16

1 [Ny amin'ny famoriam-bola ho an'ny olona malahelo tany Jerosalema. Teny farany sy fanaovam-beloma] Ary ny amin'ny famoriam-bola ho an'ny olona masina, dia mba manaova koa ianareo toy izay nasaiko nataon'ny fiangonana any Galatia.

2 Amin'ny andro voalohany isan-kerinandro dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra na amin'inona na amin'inona no anambinana azy, mba ho vita rahateo ny famoriam-bola mandra-pahatongako.

3 Ary rehefa tonga aho, dia izay sitrakareo no hirahiko hitondra taratasy hanatitra ny fiantranareo ho any Jerosalema.

4 Ary raha tokony handehanako izany, dia hiaraka amiko ireo.

5 Hankatỳ aminareo aho, rehefa namaky an'i Makedonia - fa hamaky an'i Makedonia aho -

6 ary angamba hitoetra eo aminareo aho, na handany ny ririnina aza, mba hanateranareo ahy amin'izay halehako.

7 Fa tsy mikasa hamangy anareo toy ny mandalo aho ankehitriny; fa manantena hitoetra elaela eo aminareo aho, raha sitrapon'ny Tompo.

8 Nefa hitoetra any Efesosy aho mandra-pihavin'ny Pentekosta;

9 fa varavarana lehibe no voavoha ho ahy hahazoako miasa tsara, nefa maro ny mpanohitra.

10 Ary rehefa tonga Timoty, dia tandremo mba tsy hanan-tahotra eo aminareo izy; fa ny asan'ny Tompo no ataony, tahaka ny ataoko koa.

11 Koa aza avela hisy olona hanao tsinontsinona azy; fa atero soa aman-tsara izy mba ho tonga atỳ amiko; fa miandry azy mbamin'ny rahalahy sasany aho.

12 Ary ny amin'i Apolosy rahalahy, dia nangataka azy fatratra aho hiara-mandeha amin'ny rahalahy hankatỳ aminareo, saingy tsy sitrapony akory ny handeha tamin'izany*; nefa ho avy ihany izy, rehefa misy andro mahalalaka azy. [* Na: saingy tsy sitrapon'Andriamanitra ny handehanany ankehitriny]

13 Miambena* ianareo, tomoera tsara amin'ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza. [* Gr. miareta tory]

14 Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin'ny fitiavana.

15 Fantatrareo ny ankohonan'i Stefanasy, fa voaloham-bokatr'i Akaia izy sady efa nanolo-tena ho amin'ny fanompoana ny olona masina; dia mangataka aminareo aho, ry rahalahy,

16 mba hanaiky tsara ny olona tahaka ireny sy izay rehetra miara-miasa sy mikely aina koa ianareo.

17 Faly aho noho ny fihavian'i Stefanasy sy Fortonato ary Akaiko; fa ireo no nahefa ny tsy vitanareo;

18 fa namelombelona ny fanahiko sy ny anareo koa izy; ka mba ekeo ny tahaka ireny.

 

19 Manao veloma anareo ny fiangonana atỳ Asia. Manao veloma anareo indrindra ao amin'ny tompo Akoila sy Prisila mbamin'ny fiangonana izay ao an-tranony.

20 Manao veloma anareo ny rahalahy rehetra. Mifanaova veloma amin'ny fanorohana masina.

21 Ny tanako, izaho Paoly, no anaovako veloma.

22 Raha misy tsy tia ny Tompo, aoka ho voaozona* izy. Maran ata**. [* Gr. anatema] [** Maran ata = Avy ny Tompontsika (?)]

23 Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo;

24 ny fitiavako dia ao aminareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. Amena.

 

Chapitre 16

16:1 Now concerning the collection for the saints, as I commanded the assemblies of Galatia, you do likewise.

16:2 On the first day of the week, let each one of you save, as he may prosper, that no collections be made when I come.

16:3 When I arrive, I will send whoever you approve with letters to carry your gracious gift to Jerusalem.

16:4 If it is appropriate for me to go also, they will go with me.

16:5 But I will come to you when I have passed through Macedonia, for I am passing through Macedonia.

16:6 But with you it may be that I will stay, or even winter, that you may send me on my journey wherever I go.

16:7 For I do not wish to see you now in passing, but I hope to stay a while with you, if the Lord permits.

16:8 But I will stay at Ephesus until Pentecost,

16:9 for a great and effective door has opened to me, and there are many adversaries.

16:10 Now if Timothy comes, see that he is with you without fear, for he does the work of the Lord, as I also do.

16:11 Therefore let no one despise him. But set him forward on his journey in peace, that he may come to me; for I expect him with the brothers.

16:12 Now concerning Apollos, the brother, I strongly urged him to come to you with the brothers; and it was not at all his desire to come now; but he will come when he has an opportunity.

16:13 Watch! Stand firm in the faith! Be courageous! Be strong!

16:14 Let all that you do be done in love.

16:15 Now I beg you, brothers (you know the house of Stephanas, that it is the first fruits of Achaia, and that they have set themselves to serve the saints),

16:16 that you also be in subjection to such, and to everyone who helps in the work and labors.

16:17 I rejoice at the coming of Stephanas, Fortunatus, and Achaicus; for that which was lacking on your part, they supplied.

16:18 For they refreshed my spirit and yours. Therefore acknowledge those who are like that.

16:19 The assemblies of Asia greet you. Aquila and Priscilla greet you much in the Lord, together with the assembly that is in their house.

16:20 All the brothers greet you. Greet one another with a holy kiss.

16:21 This greeting is by me, Paul, with my own hand.

16:22 If any man doesn’t love the Lord Jesus Christ, let him be accursed. Come, Lord!

16:23 The grace of the Lord Jesus Christ be with you.

16:24 My love to all of you in Christ Jesus. Amen.

 

Chapitre 16
1 Pour ce qui concerne la collecte en faveur des saints, agissez, vous aussi, comme je l'ai ordonné aux Églises de la Galatie.

2 Que chacun de vous, le premier jour de la semaine, mette à part chez lui ce qu'il pourra, selon sa prospérité, afin qu'on n'attende pas mon arrivée pour recueillir les dons.

3 Et quand je serai venu, j'enverrai avec des lettres, pour porter vos libéralités à Jérusalem, les personnes que vous aurez approuvées.

4 Si la chose mérite que j'y aille moi-même, elles feront le voyage avec moi.

5 J'irai chez vous quand j'aurai traversé la Macédoine, car je traverserai la Macédoine.

6 Peut-être séjournerai-je auprès de vous, ou même y passerai-je l'hiver, afin que vous m'accompagniez là où je me rendrai.

7 Je ne veux pas cette fois vous voir en passant, mais j'espère demeurer quelque temps auprès de vous, si le Seigneur le permet.

8 Je resterai néanmoins à Éphèse jusqu'à la Pentecôte;

9 car une porte grande et d'un accès efficace m'est ouverte, et les adversaires sont nombreux.

10 Si Timothée arrive, faites en sorte qu'il soit sans crainte parmi vous, car il travaille comme moi à l'oeuvre du Seigneur.

11 Que personne donc ne le méprise. Accompagnez-le en paix, afin qu'il vienne vers moi, car je l'attends avec les frères.

12 Pour ce qui est du frère Apollos, je l'ai beaucoup exhorté à se rendre chez vous avec les frères, mais ce n'était décidément pas sa volonté de le faire maintenant; il partira quand il en aura l'occasion.

13 Veillez, demeurez fermes dans la foi, soyez des hommes, fortifiez-vous.

14 Que tout ce que vous faites se fasse avec charité!

15 Encore une recommandation que je vous adresse, frères. Vous savez que la famille de Stéphanas est les prémices de l'Achaïe, et qu'elle s'est dévouée au service des saints.

16 Ayez vous aussi de la déférence pour de tels hommes, et pour tous ceux qui travaillent à la même oeuvre.

17 Je me réjouis de la présence de Stéphanas, de Fortunatus et d'Achaïcus; ils ont suppléé à votre absence,

18 car ils ont tranquillisé mon esprit et le vôtre. Sachez donc apprécier de tels hommes.

19 Les Églises d'Asie vous saluent. Aquilas et Priscille, avec l'Église qui est dans leur maison, vous saluent beaucoup dans le Seigneur.

20 Tous les frères vous saluent. Saluez- vous les uns les autres par un saint baiser.

21 Je vous salue, moi Paul, de ma propre main.

22 Si quelqu'un n'aime pas le Seigneur, qu'il soit anathème! Maranatha.

23 Que la grâce du Seigneur Jésus soit avec vous!

 24 Mon amour est avec vous tous en Jésus-Christ.