T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 11

1 Aoka hanahaka ahy ianareo, dia tahaka ny anahafako an'i Kristy.

2 [Ny amin'ny tokony hisaronan'ny vehivavy loha ao am-piangonana] Ary midera anareo aho, satria mahatsiaro ahy amin'ny zavatra rehetra ianareo sady mitana tsara ny fampianarana natolotra, araka ny nanolorako azy taminareo.

3 Ary tiako ho fantatrareo fa Kristy no lohan'ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no lohan'ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan'i Kristy.

4 Ny lehilahy rehetra, raha mivavaka na maminany ka misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany.

5 Fa ny vehivavy rehetra kosa, raha mivavaka na maminany ka tsy misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany, satria toy ny voaharatra izy.

6 Fa raha tsy misaron-doha ny vehivavy, dia aoka hohetezana izy; fa raha mahamenatra ny vehivavy ny hohetezana na ny hoharatana, dia aoka hisaron-doha izy.

7 Ny lehilahy dia tokony tsy hisaron-doha, satria endrika sy voninahitr'Andriamanitra izy; fa ny vehivavy kosa no voninahitry ny lehilahy.

8 Fa tsy ny vehivavy no nihavian'ny lehilahy; fa ny lehilahy no nihavian'ny vehivavy.

9 Fa tsy ny lehilahy no natao ho an'ny vehivavy, fa ny vehivavy no ho an'ny lehilahy.

10 Izany no mahamety ny vehivavy hisaron-doha* noho ny amin'ny anjely. [*Gr. hanana fahefana eo amin'ny lohany]

11 Kanefa ao amin'ny Tompo tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy.

12 Fa toy ny nihavian'ny vehivavy avy tamin'ny lehilahy, dia toy izany koa no nihavian'ny lehilahy avy tamin'ny vehivavy; fa Andriamanitra kosa no ihavian'ny zavatra rehetra.

13 Hevero ao am-ponareo: Mendrika va raha mivavaka amin'Andriamanitra ka tsy misaron-doha ny vehivavy?

14 Tsy mampianatra anareo va izao fomban'ny zavatra rehetra izao fa raha lava volo ny lehilahy, dia mahafa-boninahitra azy izany?

15 Fa raha lava volo kosa ny vehivavy, dia voninahitra ho azy izany fa ny volo no nomena azy ho fisaronana.

16 Fa raha misy olona toa tia ady, dia tsy manana izany fanao izany isika, na ny fiangonan'Andriamanitra.

17 [Ny amin'ny Fanasan'ny Tompo] Ary raha manao izao didy izao aho, dia tsy midera anareo tsy akory, satria tsy miangona hihatsara ianareo, fa hiharatsy.

18 Fa voalohany indrindra, raha miangona ao am-piangonana ianareo, dia reko fa misy fisarahana eo aminareo; ary mba misy inoako ihany izany.

19 Fa tsy maintsy misy fitokoana eo aminareo, mba haseho eo aminareo izay olona ankasitrahana.

20 Koa raha miangona ianareo, dia tsy misy hihinanana ny Fanasan'ny Tompo akory.

21 Fa raha mihinana ianareo, dia samy homana ny sakafony avy aloha ianareo; koa ny anankiray dia noana, fa ny anankiray kosa mamo.

22 Moa tsy manan-trano hihinanana sy hisotroana va ianareo? Sa manao tsinontsinona ny fiangonan'Andriamanitra ka manome henatra ny tsy manana? Inona no holazaiko aminareo? Hidera anareo va aho? Tsy hidera anareo amin'izany aho.

23 Fa izaho efa nandray tamin'ny Tompo izay natolotro anareo kosa, fa Jesosy Tompo tamin'iny alina iny izay namadihana Azy, dia nandray mofo,

24 ary rehefa nisaotra Izy, dia novakiny, ka hoy Izy: Ity no tenako* ho anareo; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. [* Ampio hoe: [izay vakina]

25 Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin'ny rako; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro ianareo.

26 Fa na oviana na oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin'ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan'ny Tompo ianareo mandra-pihaviny.

27 Koa na zovy an zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin'ny kapoaky ny Tompo amin'ny fanahy tsy mendrika, dia ho meloka ny amin'ny tena sy ny ran'ny Tompo izy.

28 Fa aoka ny olona hamantatra ny tenany, dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin'ny kapoaka.

29 Fa izay rehetra mihinana sy misotro dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an'ny tenany, raha tsy mamantatra ny tena izy.

30 Noho izany dia betsaka no marary sy marofy eo aminareo, ary maro ihany no efa nodi-mandry.

31 Fa raha mba mamantatra ny tenantsika isika, dia tsy mba hotsaraina.

32 Fa raha tsaraina isika, dia faizan'ny Tompo mba tsy hohelohina miaraka amin'izao tontolo izao.

33 Koa raha miangona hihinana ianareo, ry rahalahy, dia mifampiandrasa*. [* Na: mifampizarà]

34 Ary raha misy olona noana, aoka izy hihinana no an-tranony, mba tsy hiangonanareo ho fahamelohana. Ary ny zavatra sisa dia halahatro, rehefa tonga aho.

 

Chapitre 11

11:1 Be imitators of me, even as I also am of Christ.

11:2 Now I praise you, brothers, that you remember me in all things, and hold firm the traditions, even as I delivered them to you.

11:3 But I would have you know that the head of every man is Christ, and the head of the woman is the man, and the head of Christ is God.

11:4 Every man praying or prophesying, having his head covered, dishonors his head.

11:5 But every woman praying or prophesying with her head unveiled dishonors her head. For it is one and the same thing as if she were shaved.

11:6 For if a woman is not covered, let her also be shorn. But if it is shameful for a woman to be shorn or shaved, let her be covered.

11:7 For a man indeed ought not to have his head covered, because he is the image and glory of God, but the woman is the glory of the man.

11:8 For man is not from woman, but woman from man;

11:9 for neither was man created for the woman, but woman for the man.

11:10 For this cause the woman ought to have authority on her head, because of the angels.

11:11 Nevertheless, neither is the woman independent of the man, nor the man independent of the woman, in the Lord.

11:12 For as woman came from man, so a man also comes through a woman; but all things are from God.

11:13 Judge for yourselves. Is it appropriate that a woman pray to God unveiled?

11:14 Doesn’t even nature itself teach you that if a man has long hair, it is a dishonor to him?

11:15 But if a woman has long hair, it is a glory to her, for her hair is given to her for a covering.

11:16 But if any man seems to be contentious, we have no such custom, neither do God’s assemblies.

11:17 But in giving you this command, I don’t praise you, that you come together not for the better but for the worse.

11:18 For first of all, when you come together in the assembly, I hear that divisions exist among you, and I partly believe it.

11:19 For there also must be factions among you, that those who are approved may be revealed among you.

11:20 When therefore you assemble yourselves together, it is not the Lord’s supper that you eat. 11:21 For in your eating each one takes his own supper first. One is hungry, and another is drunken. 11:22 What, don’t you have houses to eat and to drink in? Or do you despise God’s assembly, and put them to shame who don’t have? What shall I tell you? Shall I praise you? In this I don’t praise you.

11:23 For I received from the Lord that which also I delivered to you, that the Lord Jesus on the night in which he was betrayed took bread.

11:24 When he had given thanks, he broke it, and said, “Take, eat. This is my body, which is broken for you. Do this in memory of me.”

11:25 In the same way he also took the cup, after supper, saying, “This cup is the new covenant in my blood. Do this, as often as you drink, in memory of me.”

11:26 For as often as you eat this bread and drink this cup, you proclaim the Lord’s death until he comes.

11:27 Therefore whoever eats this bread or drinks the Lord’s cup in a way unworthy of the Lord will be guilty of the body and the blood of the Lord.

11:28 But let a man examine himself, and so let him eat of the bread, and drink of the cup.

11:29 For he who eats and drinks in an unworthy way eats and drinks judgment to himself, if he doesn’t discern the Lord’s body.

11:30 For this cause many among you are weak and sickly, and not a few sleep.

11:31 For if we discerned ourselves, we wouldn’t be judged.

11:32 But when we are judged, we are punished by the Lord, that we may not be condemned with the world.

11:33 Therefore, my brothers, when you come together to eat, wait for one another.

11:34 But if anyone is hungry, let him eat at home, lest your coming together be for judgment. The rest I will set in order whenever I come.

 

 

Chapitre 11

1 Soyez mes imitateurs, comme je le suis moi-même de Christ.

2 Je vous loue de ce que vous vous souvenez de moi à tous égards, et de ce que vous retenez mes instructions telles que je vous les ai données.

3 Je veux cependant que vous sachiez que Christ est le chef de tout homme, que l'homme est le chef de la femme, et que Dieu est le chef de Christ.

4 Tout homme qui prie ou qui prophétise, la tête couverte, déshonore son chef.

5 Toute femme, au contraire, qui prie ou qui prophétise, la tête non voilée, déshonore son chef: c'est comme si elle était rasée.

6 Car si une femme n'est pas voilée, qu'elle se coupe aussi les cheveux. Or, s'il est honteux pour une femme d'avoir les cheveux coupés ou d'être rasée, qu'elle se voile.

7 L'homme ne doit pas se couvrir la tête, puisqu'il est l'image et la gloire de Dieu, tandis que la femme est la gloire de l'homme.

8 En effet, l'homme n'a pas été tiré de la femme, mais la femme a été tirée de l'homme;

9 et l'homme n'a pas été créé à cause de la femme, mais la femme a été créée à cause de l'homme.

10 C'est pourquoi la femme, à cause des anges, doit avoir sur la tête une marque de l'autorité dont elle dépend.

11 Toutefois, dans le Seigneur, la femme n'est point sans l'homme, ni l'homme sans la femme.

12 Car, de même que la femme a été tirée de l'homme, de même l'homme existe par la femme, et tout vient de Dieu.

13 Jugez-en vous-mêmes: est-il convenable qu'une femme prie Dieu sans être voilée?

14 La nature elle-même ne vous enseigne-t-elle pas que c'est une honte pour l'homme de porter de longs cheveux,

15 mais que c'est une gloire pour la femme d'en porter, parce que la chevelure lui a été donnée comme voile?

16 Si quelqu'un se plaît à contester, nous n'avons pas cette habitude, non plus que les Églises de Dieu.

17 En donnant cet avertissement, ce que je ne loue point, c'est que vous vous assemblez, non pour devenir meilleurs, mais pour devenir pires.

18 Et d'abord, j'apprends que, lorsque vous vous réunissez en assemblée, il y a parmi vous des divisions, -et je le crois en partie,

19 car il faut qu'il y ait aussi des sectes parmi vous, afin que ceux qui sont approuvés soient reconnus comme tels au milieu de vous. –

20 Lors donc que vous vous réunissez, ce n'est pas pour manger le repas du Seigneur;

21 car, quand on se met à table, chacun commence par prendre son propre repas, et l'un a faim, tandis que l'autre est ivre.

22 N'avez-vous pas des maisons pour y manger et boire? Ou méprisez-vous l'Église de Dieu, et faites-vous honte à ceux qui n'ont rien? Que vous dirai-je? Vous louerai-je? En cela je ne vous loue point.

23 Car j'ai reçu du Seigneur ce que je vous ai enseigné; c'est que le Seigneur Jésus, dans la nuit où il fut livré, prit du pain,

24 et, après avoir rendu grâces, le rompit, et dit: Ceci est mon corps, qui est rompu pour vous; faites ceci en mémoire de moi.

25 De même, après avoir soupé, il prit la coupe, et dit: Cette coupe est la nouvelle alliance en mon sang; faites ceci en mémoire de moi toutes les fois que vous en boirez.

26 Car toutes les fois que vous mangez ce pain et que vous buvez cette coupe, vous annoncez la mort du Seigneur, jusqu'à ce qu'il vienne.

27 C'est pourquoi celui qui mangera le pain ou boira la coupe du Seigneur indignement, sera coupable envers le corps et le sang du Seigneur.

28 Que chacun donc s'éprouve soi-même, et qu'ainsi il mange du pain et boive de la coupe;

29 car celui qui mange et boit sans discerner le corps du Seigneur, mange et boit un jugement contre lui-même.

30 C'est pour cela qu'il y a parmi vous beaucoup d'infirmes et de malades, et qu'un grand nombre sont morts.

31 Si nous nous jugions nous-mêmes, nous ne serions pas jugés.

32 Mais quand nous sommes jugés, nous sommes châtiés par le Seigneur, afin que nous ne soyons pas condamnés avec le monde.

33 Ainsi, mes frères, lorsque vous vous réunissez pour le repas, attendez-vous les uns les autres.

34 Si quelqu'un a faim, qu'il mange chez lui, afin que vous ne vous réunissiez pas pour attirer un jugement sur vous. Je réglerai les autres choses quand je serai arrivé.