| Chapitre
1
1 [Ny firaisan'ny Kristiana amin'Andriamanitra, ary ny
vavolombelona mampiseho sy mahamarina izany] Izay hatramin'ny voalohany, dia
izay efa renay, izay efa hitan'ny masonay, izay efa nojerenay sady efa
notsapain'ny tananay, dia ny amin'ny Teny Fiainana
2 (fa efa naseho ny
fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara
aminareo ny fiainana mandrakizay, izay tao amin'ny Ray ka efa naseho taminay),
-
3 izay efa hitanay sy
renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo firaisana aminay koa; ary ny
firaisanay dia amin'ny Ray sy amin'i Jesosy Kristy Zanany.
4 Ary izao zavatra izao no soratanay, mba ho tanteraka ny
fifaliantsika*. [* Na: fifalianareo]
5 Ary izao no teny renay taminy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra dia
mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy.
6 Raha hoy isika: Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin'ny
maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina.
7 Fa raha mandeha eo amin'ny mazava isika, tahaka Azy eo amin'ny mazava,
dia manana firaisana isika, ary ny ran'i Jesosy Zanany no manadio antsika ho
afaka amin'ny ota rehetra.
8 Raha hoy isika: Tsy manana
ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika.
9 Raha miaiky ny
fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy
manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra.
10 Raha hoy isika: Tsy
nanota isika, dia mampandainga Azy, ary tsy ato anatintsika.
| | Chapitre 1
1 That which was from the beginning,
that which we have heard, that which we have seen with our eyes, that which we
saw, and our hands touched, concerning the Word of life
2 (and the life was revealed, and we have seen, and
testify, and declare to you the life, the eternal life, which was with the
Father, and was revealed to us);
3 that which we have seen and heard we declare to you,
that you also may have fellowship with us. Yes, and our fellowship is with the
Father, and with his Son, Jesus Christ.
4 And we write these things to you, that our joy may
be fulfilled.
5 This is the message which we have heard from him and
announce to you, that God is light, and in him is no darkness at all.
6 If we say that we have fellowship with him and walk
in the darkness, we lie, and don’t tell the truth.
7 But if we walk in the light, as he is in the light,
we have fellowship with one another, and the blood of Jesus Christ, his Son,
cleanses us from all sin.
8 If we say that
we have no sin, we deceive ourselves, and the truth is not in us.
9 If we confess
our sins, he is faithful and righteous to forgive us the sins, and to cleanse
us from all unrighteousness.
10 If we say that
we haven’t sinned, we make him a liar, and his word is not in us.
| | Chapitre
1
1 Ce qui était dès le commencement, ce que nous avons entendu, ce que
nous avons vu de nos yeux, ce que nous avons contemplé et que nos mains ont
touché, concernant la parole de vie,
2 car la vie a
été manifestée, et nous l'avons vue et nous lui rendons témoignage, et nous
vous annonçons la vie éternelle, qui était auprès du Père et qui nous a été
manifestée,
3 ce que
nous avons vu et entendu, nous vous l'annonçons, à vous aussi, afin que vous
aussi vous soyez en communion avec nous. Or, notre communion est avec le Père
et avec son Fils Jésus-Christ.
4 Et nous
écrivons ces choses, afin que notre joie soit parfaite.
5 La
nouvelle que nous avons apprise de lui, et que nous vous annonçons, c'est que
Dieu est lumière, et qu'il n'y a point en lui de ténèbres.
6 Si nous
disons que nous sommes en communion avec lui, et que nous marchions dans les
ténèbres, nous mentons, et nous ne pratiquons pas la vérité.
7 Mais si
nous marchons dans la lumière, comme il est lui-même dans la lumière, nous
sommes mutuellement en communion, et le sang de Jésus son Fils nous purifie de
tout péché.
8 Si nous disons que nous n'avons pas de péché,
nous nous séduisons nous-mêmes, et la vérité n'est point en nous. 9 Si nous confessons nos péchés, il est fidèle et juste pour nous les
pardonner, et pour nous purifier de toute iniquité.
10 Si nous disons que nous n'avons pas péché,
nous le faisons menteur, et sa parole n'est point en nous. | |